• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Psi
Image
Vaovao

Hetsika fanaovam-baksiny faobe : Hanomboka rahampitso, eny amin’ny tobim-pahasalamana

14/10/2024 14:06 © Moov.Mg

Hisy hetsika fanaovam-baksiny faobe, hiadiana amin’ny kitrotro sy ny lefakozatra, hotanterahina manomboka rahampitso, manerana an’i Madagasikara. Hiova ny paikady amin’ity indray mitoraka ity, satria tsy handondona isam-baravarana intsony ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatanteraka izany, fa ny olona manan-janaka voakasika no entanina hanatona ireo toerana fanaovam-baksiny.

Misoroka aretina 11 isa

Tsy ny kitrotro sy ny lefakozatra ihany, fa aretina miisa 11 no voasoroka, raha toa ka tanteraka avokoa ireo vaksiny maimaim-poana fanao amin’ny zaza, hita eny amin’ny tobim-pitsaboana miankina amin’ny Fanjakana eto Madagasikara. Isan’izany ny raboka, ny difteria, ny tetanosy, ny koha-davareny, ny meninzita, ny tsitongadronono… Ireo zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana no ho afaka misitraka ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra ary ireo zaza 9 volana hatramin’ny 59 volana no azo atao vaksiny misoroka ny kitrotro. Misy ihany koa ny fanaovam-baksiny ireo zaza sokajiana ho « daozy aotra », izany hoe ; ireo izay mbola tsy nisitraka vaksiny mihitsy hatramin’izay, ka ireo ankizy 12 volana hatramin’ny 59 volana no voakasik’izany. Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny fanaovam-baksiny mahazatra, eny anivon’ny tobim-pahasalamana.

Amin’ity indray mitoraka ity dia afaka manatona ireo tobim-pahasalamana akaiky azy indrindra ireo ray aman-dreny hampanao vaksiny ny zanany. Misy koa ireo toerana fanovam-baksiny hapetraka manokan, eny anivon’ny Fokontany na ny Kaominina, izay lavitra tobim-pahasalamana fototra, mba hanatanterahana ny fanaovam-baksiny.

Valanaretina miverimberina

Nahitana trangana valanaretina kitrotro miverimberina eto Madagasikara, nanomboka ny taona 2018. Mbola nahitana trangana lefakozatra ihany koa, izay mitotaly ho tranga 380 isa teo anelanelan’ny taona 2020 sy ny volana jona 2024, araka ny tatitry ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). Tanjona ny hamongorana tanteraka ireo aretina ireo aty Afrika sy maneran-tany, antony maha-zava-dehibe ny fanaovana vaksiny sy ny famerimberenana izany. Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy tany Ambositra ity hetsika fanaovam-baksiny faobe manerana an’i Madagasikara ity, izay hanomboka rahampitso 15 ôktôbra, manerana ireo Distrika rehetra, ary hifarana ny 19 ôktôbra 2024.

Lire la suite

Articles Similaires