• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mandroso ny asa fanamboarana ireo ampahan-dalana eto Antananarivo Renivohitra

14/10/2024 11:03 © Moov

Miasa andro aman’alina ny orinasa mpanatanteraka ny fanamboarana sy fanarenana ireo lalana eto Antananarivo Renivohitra. Miisa 20 ireo ampahan-dalana ireo ary efa misy ny asa mivaingana azo tsapain-tanana amin’izany. Miasa andro aman’alina rahateo ihany koa ny Delegasiona avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy manaramaso hahafahana manafaingana ny asa rehetra.

60 andro ny fe-potoana

Miara-mandeha moa ny ankamaron’ny asa nanomboka tamin’ny faran’ny volana septambra teo. Raha tsiahivina rahateo dia 60 andro ny fe-potoana napetraka hamitana ireo asa rehetra ireo. Izany hoe tokony ho vita any ho any amin’ny faran’ny volana novambra any ny asa rehetra izany. Amin’ny ankapobeny, efa misy ireo efa vita sy azo handehanana ary eo ihany koa ireo mbola andalam-panatanterahana azy. Nanomboka teny amin’ny « route circulaire » Ampandrana ny asa, roa herinandro izay ary efa azo lazaina ho efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eny an-toerana. Efa misy fiovana ihany koa ny lalana eny Ankorondrano, indrindra ny manoloana ny « La City » Ivandry. Natao « béton » ihany koa ny eny Isotry tsena. Misy asa mandeha ihany koa ny eo amin’ny « 4 chemins » Ankatso sy ny eny Namontana. Ny faran’ny herinandro teo dia teny amin’ny Rond-point Ampasika no nanarahan’ny Ministera maso ny asa. Heverina ho vita amin’ity herinandro ity io asa eo Ampasika io.

Vahaolana maharitra

Hiarahan’ny Ministera miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ity asa ity. Tsara ihany koa ny manamarika fa ho fanamboarana maharitra ny karazana asa hatao amin’izao fotoana izao. Napetraka ho vahaolana amin’ny fitohanana mpahazo ny mponin’Antananarivo ity fanamboaran-dalana ity. Araka izany, tanjona ao anatin’izany ny hampihenana io fitohanana io, tsy ho amin’izao fotoana izao irery izany fa natao ho an’ny taranaka mifandimby ihany koa. Ny orinasa « Magic » moa no manatanteraka ireo fanamboaran-dalana eto Antananarivo ireo.

Lire la suite

Articles Similaires