• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Saf - Fjkm.Jpg
Image
Vaovao

Andro Iraisampirenena ho an’ny fampihenana ny tandindondoza sy ny loza : Ao Ambilobe ny fankalazana

11/10/2024 10:26 © Moov

Hankalazaina maneran-tany isaky ny 13 oktobra ny fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny fampihenana ny tandindondoza sy ny loza. Hanomboka androany ao Ambilobe ny fankalazana raha ho antsika. Eo ambany fitarihan'ireo rafitra roa ara-panjakana dia ny BNGRC sy ny CPGU izany. Efa samy any an-toerana amin’izao fotoana izao ireo rafitra ireo amin’ny fanomanana rehetra.

Fiaraha-mientana

Amin’ity taona ity dia haharitra roa andro ny fankalazana dia ny anio sy rahampitso 12 oktobra izany any an-toerana. Maro ireo rafi-panjakana no handray anjara amin’izany fankalazana izany. Asa lehibe tsy vitan’olon-tokana rahateo mantsy izany fampihenana ny tandindondoza sy ny loza izany. Raha ho an’ny Madagasikara dia ny hain-tany na ny rano be no tena olana. Araka izany, ilaina ny fiaraha-mientan’ny tsirairay. Ao anatin’izany ary dia ho eo ambany fiahian’ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian sy ny Mpandrindra maharitra mpisolo-toerana ny Firenena mikambana, Ramatoa Josiane Yaguibou ny hetsika. Etsy andaniny dia hoavy hanotrona ny hetsika ihany koa ny Tale Jeneralin'ny BNGRC sy ny lefiny ,ny Sekretera Mpanatanteraka Lefitry ny CPGU , Ary ireo vahiny maro nasaina. Ao anatin’izany ny mpiaramiombon'antoka sy mpiantsehatra amin'izany ady lehibe izany ary ireo manampahefana isan-tsokajiny avy any an-toerana.

Fanabeazana manoloana ny loza

Anisan’ny mitondra anjara biriky amin’ny fampihenana ny loza ihany koa ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora. Izany rahateo no nandraisana ny lohahevitra hoe « ny lanjan’ny fanabeazana amin’ny fiarovana sy fampaefana ny tanora mba ho fametrahana hoavy mahatsangy kokoa ». Anisan’ny toerana sy olona mitondra takaitra betsaka amin’ireny loza ireny ihany koa ny fampianarana sy ny mpisehatra ao. Mbola anisan’ny antony iray nandraisana io lohahevitra io ihany koa izany. Amin’ny ankapobeny dia fotoana iray lehibe handraisana fepetra mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny tanora any am-pianarana sy ny fotodrafitrasan’izy ireo ity fankalazana ity. Ankoatra izay anefa dia hampandraisana andraikitra ihany koa ireo tanora sy ankizy ireo amin’ny fomba azo atao hampihenana ny mety ho takaitran’ny loza. Mbola lavitra rahateo ny ezaka raha ho an’ny Madagasikara ka anisan’ny sehatra iray aloha ny mikasika ny fampianarana amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires