• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ilontsera
Image
Vaovao

Asa fanaovan-gazety : Mandray fitarainana avy amin’ny mpanao gazety eo amin’ny 4 isan-taona eo ny holafitra

10/10/2024 15:27 © Moov

« Fitarainana 3 na 4 isan-taona eo no voaray avy amin’ireo mpanao gazety eto Madagasikara », hoy ny Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Monica Rasoloarison. Mbola maro araka izany ny tsindry mahazo ny mpanao gazety eny am-panatanterahana ny asany eny. Izany indrindra no nahatonga ny ONG Ilontsera nanao ny tetikasa Manehoa. Rafitra iray hanampiana sy hanalefahana ny olan’ny mpanao gazety io tetikasa io. Hiara-hiasa amin’ny holafitra araka izany izy ireo ao anatin’izany.

Fiarovana

Miseho amin’ny endriny maro io fanohintohinana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany io. Anisan’ny tsindry mahazo azy ireo ohatra ny herisetra amin’ny vehivavy mpanao gazety, ny antsojay ataon’ny mpanao politika, ny loharanom-baovao na ihany koa ny tompon’ny orinasa hiasany mihitsy aza. Mila fiarovana izy ireo ao anatin’izany mba hahafahana manampy azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa ataony. Anisan’ny tanjon’ny tetikasa Manehoa rahateo ny hampihatra ny fahalalahana miteny, indrindra ny fahalalahan’ny mpanao gazety. Ao anatin’io tetikasa Manehoa io araka izany no hisian’ny rafitra miaro ireo mpanao gazety (cellule de protection des journalistes).

Hanampy amin’ny endriny maro

Rafitra natao hiaro ny mpanao gazety ity nitsangana ity. Ahitana Mpisolo vava ao anatin’izany. Ao ihany koa ireo mpandalina hay toetra sy toe-po, ny solontenan’ireo mpanao gazety ary ihany koa ny solontena avy ao amin’ireo firaisamonim-pirenena. Araka izany, hiseho amin’ny endriny maro ny fiarovana ireto mpanolotra vaovao ireto. Hisy ny sampana hiandraikitra ny fakan-kevitra fotsiny ho an’ireo izay mety mila fanampim-panazavana mikasika ny olan’ny tenany na ny orinasa. « Raha toa ka efa tonga any amin’ny raharaham-pitsarana kosa ny raharaha dia efa eo ny mpisolo vava afaka hanampy amin’ny taratasy sy ny fanohanana rehetra », hoy i Mamelasoa Ramiarinarivo, Tale Mpanatanteraka ao amin’ny ONG Ilontsera. Etsy andaniny dia afaka hisitraka tohana ara-tsaina sy ara-moraly ihany koa ireo mpanao gazety manoloana ireo tsindry samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires