• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny fihariana manga : Zanaka honko miisa 1 300 novolena tao Nosy Be

08/10/2024 13:17 © Moov

Nampiana indray ireo ala honko efa misy ao Nosy Be. Zanaka honko hatramin'ny 1 300 isa no novolena tao Andrafia, Fokontany Andimakabo, Arrondissement Bemanondrobe, Nosy Be. Natao indrindra izany mba hampitomboana ny hazan-drano miaina amin'ireny ala honko ireny. Eo ihany koa ny fanampiana ny fiharian'ireo mpanjono any an-toerana.

Tontolo iainana sy fihariana

Anisan’ny toerana iray miaina amin’ny jono ihany koa ny ao Nosy Be. Ho fampitomboana ny zavaman’aina azo trandrahina mivelona amin’ny alalan’ny ala honko noho izany no anton’ity fambolena ity. Etsy andaniny dia natao indrindra ihany koa handraisana anjara amin’ny fampitomboana ny ezaka ho fiarovana ny tontolo iainana. Misy fiantraikany amin’ny fiainan’izy ireo ny fisian’ny ala honko, izay mitahiry ireo harena an-dranomasina azon’izy ireo ampiasaina izay. Raha io nambolena io dia nahitana honko lahy 1 000 isa sy honko vavy 300 isa, no novolena tamin'ny fahaka 02Ha ny velarany. Niara-nisalahy tamin’izany ny Fikambanan'ny Mpanjono miisa roa dia ny Fikambanan'ny Mpanjono MaMi avy ao Andimakabo sy Fikambanan'ny Mpanjono Mavikitry ao Village Andrafia. Samy hisitraka amin’ny fanampiana izy ireo, ary hahatrarana ilay fahavitan-tenan’ireto mpanjono ireto ity asa notanterahina ity.

Fampitaovana

Amin’ny maha-mpanjono ireto mponina ireto, tsy eny amin’ny ala honko irery ihany izy ireo no miasa. Araka izany, taorian’ny fambolena dia nisy ny fizarana fitaovana "Kits de sécurité en mer" miisa 26 sy "Kits sacs" miisa 30 avy amin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga hoan'ny mpanjono izay manana Karatra mpanjono. Nanamarika ny Minisitera fa izao hetsika izao dia tafiditra indrindra amin'ny fanohizana hatrany ny ezaky ny Ministera hiarovana ny ain'ny mpanjono eo am-panantanterahana ny asany. Fomba iray hiarovana ireo mpanjono amin’ny mety ho loza andranomasina rahateo ireto fitaovana nozaraina ireto. Ankoatra izay dia natao ihany koa hampitomboana ny velontena.

Lire la suite

Articles Similaires