• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa : Hiara-hiasa handrindra ny fahalemana an-dranomasina eto Madagasikara ny Zaponey

08/10/2024 08:39 © Moov

Miandrandra fiaraha-miasa amin’ny Force d’autodéfense Zaponey ny Foloalindahy Malagasy. Hiompana indrindra amin’ny fandriam-pahalemanana an-dranomasina izany fiaraha-miasa izany. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny "Forces d'AutoDefense" Zaponey ny alatsinainy 07 oktobra 2024 tao amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'i Japon tetsy Ivandry. Nahitana ny Sekretara Jeneralin’ny Presidence, Andriamatoa Fanohiza Claude sy ny Mpanolo-tsaina manokan’ny Filoham-Pirenena, Andriamatoa Patrick Rajoelina ihany koa ny lanonana.

Traikefa

Manana harena sy lova afaka lovain’ny taranaka mifandimby betsaka ny ranomasin’ny Madagasikara. Midadasika ihany koa izany ary tena mora ny fisian’ny halatra sy ny trafika isan-karazany. Izany indrindra no nilazan'i Jeneraly, Minisitry ny Foloalindahy Sahivelo Lala Monja Delphin fa ny fiaraha-miasa mahakasika indrindra ny fandriam-pahalemana an-dranomasin'i Madagasikara no andrandraina amin'ny firenena Japoney. « Ity firenena ity rahateo dia efa azo lazaina ho manana traikefa ara-tantara amin’ny fitantanana ny ranomasina sy ny sisin-tany. Heverina araka izany ny hampitan’izy ireo izany traikefa izany ho an’ny tafika an-dranomasina Malagasy », hoy hatrany ity Minisitra ity nandritra ny fandraisam-pitenenany tao amin’io fankalazana io. Mba hisian’ny fitohizana eo amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana maharitra dia nitsodrano ny "Forces d'AutoDéfense" Japoney Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy ka nirary azy ireo hahatratra taona maro mifandimby.

Fampitaovana

Nanoloana izany fanamafisana ny fiaraha-miasa izany dia nanamarika ny Masoivoho Japoney, Andriamatoa Abe Koji fa hitohy hatrany io fiaraha-miasa io. Ankoatra ny fampitana traikefa mantsy dia efa nanolotra fampitaovana ho an’ny tafika an-dranomasina eto Madagasikara ihany koa ry zareo avy ao Japon ireto, raha ny fanazavana hatrany. Ao anatin’izany ny fanoloran’izy ireo sambo dimy ho an’ny mpiambina ny morontsiraka malagasy hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Raha ny nambarany dia efa miasa any amin’ireo seranan-tsambo dimy lehibe eto amin’ny firenena ireo sambo ireo. Ho fanampiana izany ihany koa ny fisian’ny « Attachée de défense » Japoney, ny Capitaine de Frégate Kawashima Keiko izay miandraikitra an’i Madagasikara ary monina any Kenya. Vao notendrena ny taona lasa teo ity tompon’andraikitra ity. Amin’ny ankapobeny dia hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny tafika Malagasy ny tenany. Monina ao Kenya izy ary handalo indroa na in-telo isan-taona eto Madagasikara, raha ny fanazavana avy amin’ny Masoivoho hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires