• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tm
Image
Vaovao

Hetsika "Festival des œufs" : Hotontosaina ny 18 hatramin’ny 20 ôktôbra ny andiany fahatelo

08/10/2024 06:18 © Moov.Mg

Tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny fihinanana atody eto Madagasikara, fa ambany loatra raha mitaha amin’ny ara-dalàna. Misedra olana ihany koa ny seha-pamokarana atody eto amintsika. Manana tanjona ny hampiroborobo izay seha-pihariana atody sy fiompiana akoho izay ny hetsika "Festival des oeufs", hotontosaina ny 18 hatramin’ny 20 ôktôbra izao.

Misedra olana ireo mpiompy

Any amin'ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, Distrikan'Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, no hanatanterahana ny "Festival des œufs", izay miditra amin'ny andiany faha-3 amin'ity taona ity. Malaza amin'ny famokarana atody rahateo iny toerana iny, ary nanorenana ny lalan'ny atody, izay lalana mirefy 20 kilometatra mampitohy ny Kaominina Mahitsy, Ampanotokana sy Mahazaza. Araka ny fantatra dia ny Kaominina Antanetibe Mahazaza no miantoka ny 30% amin'ny famokarana atody eto Madagasikara. Manodidina ny 300 000 isa ny atody vokarina isan’andro ao amin’ity kaominina ity. Misedra olana hatrany anefa ireo mpiompy, ka miantraika amin'ny vokatra izany. Raha ny tsy fahampian’ny katsaka hatao sakafon’ireo akoho no olana natrehin’izy ireo teo aloha, amin'izao fotoana kosa dia tsy ampy indray ny zanak’akoho mpanatody matetika. Isan'ny antony mampisondro-bidy ny atody ankehitriny izany.

Ambany ny tahan’ny fihinanana atody

Eo an-danin’izay anefa, ambany ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Vokatr’izay dia ambany ny tahan’ny fihinanana atody eto Madagasikara. Manodidina ny 20 isa isan’olona isan-taona monja izany, amin’ny ankapobeny, raha toa ka miantoka ny 25% amin’ny filàna prôteinina ho an’ny olon-dehibe iray ny fihinanana atody 1 isan’andro. Tsy nahitana fitomboana io taha 20 isan'olona isan-taona io tao anatin'ny taona maro. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny "Festival des oeufs" ihany koa, araka izany, ny hanentanana ny olona mba hampitombo ny fihinanana atody. Antenaina fa hampiroborobo ny famokarana anatiny amin’ny fiompiana akoho manatody lava sy ny akoho gasy ary ny famokarana atody, ity hetsika hotanterahina ny 18, 19, ary 20 ôktôbra ho avy izao ity.

Lire la suite

Articles Similaires