• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Michelle Sahondrarimalala
Image
Vaovao

Fampianarana ankapobeny : Tsy handoavam-bola ankoatra ny karaman’ny mpampianatra FRAM ny fampidirana mpianatra

27/08/2024 11:47 © Moov

Nanatanteraka fanambarana tao amin’ny pejiny ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena io marainan’ny talata io. Notsindriany manokana tamin’izany ireo lamina vaovao mikasika ny fampidirana mpianatra. Ao anatin’izany dia mampatsiahy ny tenany fa maimaimpoana ny fampidirana mpianatra eny amin’ireo sekolim-panjakana rehetra.

Tsy tokony handoa vola mihitsy

Tao anatin’ny programam-panjakana sy ny Fanambaran’ny Filoham-pirenena nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra ny herinandro lasa teo dia tokony ho maimaimpoana hatrany ny fampidirana mpianatra. Araka izany, nametraka lamina vaovao ny Ministera fa hanatanterahana izany. « Tsy mandoa vola na ariary aza ny Ray aman-dReny afatsy ny karaman’ireo mpampianatra FRAM izay mbola tsy mandray vola avy amin’ny Fanjakana (tsy subventionné) irery ihany. Tsy mandoa vola mihitsy raha tsy misy izay », hoy ny Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle. Raha tsiahivina dia miankina amin’ny filàn’ny sekoly sy izay programan’asany no tokony hampandoavana na tsia ireo vola avy amin’ny Ray aman-dReny ireo. Ohatra amin’izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, eo ihany koa ohatra ny fividianana seza sy latabatra… Mifanohitra amin’izany ny amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity, antony tokana no tokony handoavan’ireo hampiana-janaka vola.

Hianatra daholo ny zaza Malagasy

Tafiditra ao anatin’ny programan’asam-panjakana ihany koa ny hampiditra ny zaza rehetra eny anivon’ny sekoly. Tsy tokony hisy ankizy na tanora mbola tokony hianatra kanefa mirenireny ivelan’ny sekoly, hoy ny Minisitra. Araka izany, ho ampidirina mianatra avokoa ny zaza malagasy rehetra ary tsy handoavam-bola izany. « Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny atitany hikarohana ireo fianakaviana tena sahirana ka tsy afaka mampianatra ny zanany. Efa noresahina ny DREN, CISCO ary ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy fa tsy maintsy mandray ireny ankizy ireny ny sekoly ary tsy hampandoavina vola mihitsy izy ireo », hoy hatrany ny Minisitra. Tafiditra ao anatin’izany ny mpianatra eny amin’ny EPP, CEG ary ny Lisea. Tanjona amin’izany rehetra izany dia ny hampiditra an-tsekoly ny zaza malagasy rehetra ary ihany koa, hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny.
Nanamarika ihany koa ny Minisitra fa hatramin’ny taona 2020 dia mbola tsy azon’ny sekoly atao ny mandray mpampianatra FRAM sy « bénévole » vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires