• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Campus Ankatso II : Hataon’ny Minisitra vaovao laharam-pahamehana ny famahana ny olana

27/08/2024 09:09 © Moov

Nandray ireo solontenan’ny mpianatra monina eny amin’ny Campus Ankatso II ny Minisitra ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, omaly teny Fiadanana. Nifampidinihana tamin’izany ny hamahana ny olana izay efa ela nisiany teo amin’io tranon’ny mpianatra io. Ny olan’ny jiro sy ny rano izany.

Vahaolana haingana

Nanamarika ity Minisitra vaovao izay vao nandray ny fitantanana ity fa tsy maintsy hikarohana vahaolana farany izay haingana io olana io. « Andraikitry ny Ministera ny manetsiketsika ny tompon’andraikitra voakasik’ireo olana rehetra ireo. Tsy maintsy hanao izay hivahan'ny olana haingana araka izay azo atao aho, araka ny tarigetra hoe: “Ministera manakaiky Oniversite no tanjona”, hoy hatrany ity Minisitra ity nanome toky ireo mpianatra. Raha tsiahivina dia olana efa nitoetra nandritra ny fotoana maro ity olana eny amin’ny Campus ity. Efa ampy ny fotodrafitr’asa raha ny fahitana azy saingy ny famatsiana mihitsy no misy tsy fahampiana. Ka ao anatin’izany asa haingana izany dia efa nisy ny fidinan’ity Minisitra ity ifotony teny an-toerana ny zoma 23 aogositra lasa teo. Teo ihany koa ireo tompon’andraikitra mijery akaiky ireo lafin-javatra ireo mba hamahana ny olana ara-teknika.

Jiro sy rano ary trano fonenana

Rehefa mandalo amin’iny « Cité Ankatso » iny matetika trano somary efa simba simba no tsikaritra. Araka izany, ho raisin’ity Minisitra ity ho asa laharam-pahamehana ny mikasika ny jiro, rano ary ny trano fonenana. Raha ny fanazavan’ireo mpianatra izay mipetraka eny, miandry vahaolana izy ireo satria ny rano mitsitaitaika, ny jiro tsy mahazaka ny fitaovana ampiasaina ary ny trano zary lasa tsizarizary. « Hirarianay hitondra vahaolana io fihaonana tamin’ny Minisitra io. Ho Minisitra hitsinjo ny mpianatra ihany koa », hoy ny Solontenan’ireo mpianatra. Ankoatra ireo olana ara-potodrafitr’asa ireo anefa dia mangataka ny hamahana ny olan’ny vatsim-pianarana ihany koa ireo mpianatra ireo.

Lire la suite

Articles Similaires