• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Amp
Image
Vaovao

Kolontsaina : Ilaina fitandremana ny fanoratana tononkira amin’izao fotoana izao

26/08/2024 16:40 © Moov

Kolontsaina iray mirakitra fanabeazana, fampianarana sy fampitana fahalalana ny hira. Noho ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fivoarana eo amin’ny tontolo ara-tsosialy dia tena mila fitandremana be izany famoronankira sy fanoratana izany. Maro ireo lafin-javatra mila raisina ho zava-dehibe hoy ireo mpanakanto mialohan’ny handraisana penina.

Jerena ny maha-malagasy

Hatramin’izay, rehefa manoratra hira iray dia tsy mionona fotsiny amin’ny tononkira miady rima. Mila jerena sy raisina ho zava-dehibe avokoa ny maha-malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina, fomba fanao, fomba fisainana ary ny fomba fiainan’ny Malagasy tsy ankanavaka. « Alohan’ny hanoratana hira iray dia jerena aloha ireo singa rehetra ireo. Rehefa voasoratra ny hira ao anatin’izany dia tsy tokony hampitsanga-menatra ny Malagasy na aiza na aiza hitondrana azy », hoy ny solontenan’ny Tarika Tselatra. Nanamarika ny tenany fa efa mivoatra be ny zava-misy ka tokony hampanarahana izay onjan’ny fiainana izay ny fomba fanoratra tononkira. Matetika mantsy amin’izao fotoana izao, raha ny fahitan’ny mpanakanto sasany azy dia mitady hivoana ny tononkira. Tokony hiverenana kely ny hodidina amin’ny fanoratana mba ho kolontsaina mitondra fanabeazana ny hira malagasy.

Te-hiteny ny zava-misy

Etsy ankilan’izany rehetra izany, nanamarika ity mpanakanto ity fa tokony omena fahafahana izy ireo. « Tokony mba misy fiovana kely. Tokony omena fahafahana kely ny mpanakanto satria te hiteny ny zava-misy kanefa tsy tena afaka milaza », hoy hatrany ity mpankanto avy ao amin’ny Tarika Tselatra ity. Marihina moa fa samy manana ny toerany avokoa ny karazana gadon-kira rehetra amin’izao fotoana izao ; na ireo taloha na ireo hira ankehitriny. Miroborobo ny mozika ary manaraka izany ny tononkira saingy mbola sahirana izy ireo raha ny fanazavany. Miantefa any amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina araka izany ny hafatra mba hahalalahan’io sehatra io.

Lire la suite

Articles Similaires