• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Perkins Mijoro Amin'Ny Fahamarinana
Image
Vaovao

Toliara : Nosamborina tao antranony i Tony Perkins, lisitra faharoan’i Solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko

26/08/2024 10:28 © Moov

Ny alahady maraina tamin’ny 5 ora teo ho eo no tonga tao antranon’i Tony Perkins ao Toliara ny mpitandro filaminana hitondra azy. Raha tsiahivina dia lisitra faharoan’i Siteny Randrianasoloniaiko ny tenany nandritra ny fifidianana Solombavambahoaka. Ny raharaha filazana fa vary simba sy loa no tonga tany an-toerana no voalaza ho anton’ity fisamborana ity.

Fanapariahana vaovao diso

Raha tsiahivina ihany koa dia volana maromaro izay no nisy vary tonga tamin’ny alalan’ny botry avy any Mahajanga. Rehefa nojerena anefa izany dia voalazan’ity Lisitra faharoan’ny Siteny Randrianasoloniaiko ity fa vary efa simba io nentina io. Izany indrindra no anton’ny fisamborana azy izay volaza mazava tsara fa fanapariahana vaovao diso sy fanakorontanana fiainam-bahoaka no nataon’ity Tompon’andraikitra ity. Efa natao fanadihadiana ny tenany andro maromaro lasa izay ary maro ireo mponina nanao fihetsiketsehana, tsy nanaiky izany fanenjehana azy izany. Nalefa nody izy ny alarobia lasa teo ary izao niverina nosamborina izao indray. Mbola tsy manaiky hatrany izao fisamborana izao hatrany ny mponina any an-toerana ary miandry ny fivoahany hatramin’izao.

Ambadika politika

Manahy ihany koa anefa ity Solombavambahoakan’ny Toliara, Siteny Randrianasoloniaiko amin’ny fidiran’ny resaka politika amin’izany fanenjehana izany. « Tena ilay vary simba mihitsy ve ny olana ? Sa fantatra izy fa ho kandida Firaisankina izay mpanohitra, hirotsaka ho ben’ny tanànan’ny Toliara ? Efa misy mantsy izany resaka fanakatsakanana kandida izany amin’izao fotoana izao », hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Mila fandraisana andraikitra izany, raha toa ka mitombona. Nanamarika ity Solombavambahoaka ity fa ireo eny amin’ny Renivohi-paritany miisa enina no tena ahitana izany fanakatsakanana kandida izany amin’izao fotoana izao. Hanokatra fanadihadiana parlemantera mahakasika io raharaham-bary tsy ara-dalàna io moa ity filoha lefitra fahafito eo anivon'ny Antenimieram-pirenena ity, araka ny nambarany.

Lire la suite

Articles Similaires