• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Nanao fitsidihina teny amin’ny fanamboarana ny RN2 ny Minisitra ny asa vaventy vaovao

26/08/2024 09:06 © Moov

Avy nandray ny toerany ny Minisitry ny asa vaventy, Richard Théodore Rafidison ny zoma lasa teo dia nanatanteraka fitsidihana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa sahady ny sabotsy. Nanambara ny tenany fa mila miasa ao anatin’ny hafainganam-pandeha mifanaraka amin’ny vinan’ny Filohampirenena ny asa tanterahina. Nojerena avokoa araka izany izay rehetra tena mahatonga ny fitohanana sy ny faharatsian’ny lalana rehetra.

Efa betsaka no vita

Raha ny tatitry ny Ministeran’ny asa vaventy dia efa betsaka ny ampahan-dalana vita miainga eto Antananarivo hatrany Moramanga. Lavaka vitsivitsy sisa hasiam-panamboarana amin’ny fiandohan’ny volana septambra, raha ny nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra hatrany. Etsy andaniny, miasa andro aman’alina ny orinasa manatanteraka ny asa eo anelanelan’Andasibe sy Ranomafana, izay anisan’ny teboka tena manahirana sy mahatonga fitohanana matetika vokatry ny fahasimban’ireo fiarabe. « Efa nomeko baiko ireo orinasa manatanteraka ny asa mba hijery vahaolana hatrany amin’ireny fitohanana ireny satria mampijaly ny mpampiasa lalana ka tsy maintsy ahitam-bahaolana izany », hoy hatrany ny Minisitra Richard Théodore Rafidison. Nitohy hatrany Antsapanana ny asa fitsidihina. Maro ny fepetra tsy maintsy hajaina, na ara-tontolo iainana na ara-tsosialy, amin'ny fanatanterahana asa goavana toy izao. Halamina aloha ny lalana ary efa naravona avokoa ireo lavaka rehetra manahirana ny mpampiasa ny lalana.

Efa vonona ny famatsiam-bola

Araka izany, efa maro ny asa mandeha amin’izao fotoana izao amin’iny RN2 iny. Efa vonona rahateo ny famatsiam-bola raha ny nambaran’ny Minisitra sy ny Filoham-pirenena. « Mizara roa mazava tsara ny famatsiam-bola amin’ity asa ity. Misy ireo asa izay vatsian’ny Fanjakana vola madiodio ary misy ihany koa ireo asa izay efa vatsian’ny avy any ivelany toy ny Banky Iraisam-pirenena », hoy hatrany ny Minisitra. Manome toky ity farany fa hitondra fanatsarana faran’izay haingana ny RN2. Laharam-pahamehany rahateo ny fanarenana ireo lalam-pirenena rehetra, araka ny nolazainy nandritra ny famindram-pitantanana. Voalohany indrindra amin’izany kosa ny RN2, RN4 ary ny RN7.

Lire la suite

Articles Similaires