• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 19 hatramin'ny 25 aogositra

26/08/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro teo, dia ny alatsinainy 19 hatramin'ny alahady 25 aogositra.

Governemanta # Voatendry ireo Minisitra

Ny alakamisy 22 aogositra lasa teo no nampahafantarana tamin'ny fomba ofisialy ireo Minisitra hiara-hiasa amin'ny Praiminisitra Christian Ntsay. 50%-n'ireo Minisitra teo aloha no voatazona. Ireo nahazo andraikitra vaovao no tena nosoloina. Niavaka kosa ny mikasika ny depiote Marie Michelle Sahondrarimalala satria niverina ho Minisitry ny Fanabeazampirenena ny tenany na dia efa teny amin'ny Antenimierampirenena aza. Nanasonia fianianana ny Minisitra rehetra. Niatrika avy hatrany ny filankevitra voalohany izy ireo, ka nanafatra tsara ny filohampirenena fa mila asa mivaingana, hanatanterahana ny PGE. Ny ampitson'iny ihany, izany hoe ny zoma 23 aogositra dia efa notanterahina ny fampindram-pahefana, ho an'ireo niova mpitantana.

Tetikasa Fiovana # 108 482 ireo tokantrano nahazo tombontsoa

Notontosaina ny Alarobia 21 aogositra lasa teo ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa FIOVANA, tetikasa izay notanterahin’ny Agence Adventiste d’Aide et de Développement (ADRA) ary novatsian’ny USAID vola. Mitotaly 108 482 ireo tokantrano nahazo tombontsoa, izay ahitana olona 431 500 eo ho eo, nandritra ny 5 taona. 1425 ny vondrona renim-pianakaviana tafatsangana, ahitana mpikambana miisa 9 hatramin’ny 15 eo ho eo. 10 150 ny isan’ny fivoriana TSIKONINA vita ho fanavaozana ny fomba fisakafoana. Zaza latsaky ny 2 taona miisa 48 564 sy vehivavy bevoka sy mampionono miisa 95 332 no nahazo fanampin-tsakafo ara-pahasalamana. 126 ny tanàna voamarina ara-panjakana fa tsy manao fangerena an-kalamanjana intsony. Pompy miisa 120, lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 13 ary trano fidiovana miisa 12 no tafapetraka.

Tsy fandriampahalemana # Jiolahy maty voatifitra teny Anosibe

Anisan'ireo faritra tena anjakan'ny mpanendaka sy mpanao asa ratsy isan-karazany ny eny Anosibe sy Anosizato. Ny alakamisy 22 aogositra lasa teo, naharay vaovao mari-pototra ny polisy (SAG) fa misy vondrona jiolahy mihaodihaody teny amin'ny manodidina. Voalazan'ny mpanome vaovao fa miaraka amin'ny fitaovam-piadiana ka mikendry ireo mpandalo ireto olon-dratsy. Ny andron'io ihany, tokony ho tamin'ny 6 ora hariva, no efa nametraka paikady ny SAG hisamborana azy ireo. Namoaka sabatra ny jiolahy iray vao nahita ny Polisy raha nandositra ireo namany hafa. Saika hanohitra ity farany ka voatery nitifitra ny Polisy.Tsy tàna ny ain'ity jiolahy ity noho ny ratra mafy nahazo azy.

Douanes # Miatrika ny valan’aretina « Variole du singe »

Notontosaina ny talata 20 aogositra 2024 hariva ny fampahafantarana sy fanentanana ireo mpiasan'ny Fadintseranana teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato.
Nanazava ny fitrangany, ny fifindrany ary ny fiarovana atao manoloana ity aretina ity i Dr Laingo Andriatiana. Notsindriany tamin'izany fa mora mifindra ny "variole du singe" ary mahafaty ao anatin'ny fotoana fohy raha tsy voaraha-maso.
Notoloran'ny Tale Jeneraly ireo fitaovana fiarovana ireo moa ny mpiasan'ny Fadintseranana ao Ivato. Mbola hisy ihany koa ny fampahafantarana sy fanentanana ny mpiasan'ny Fadintseranana any Nosy Be atsy ho atsy, sy ireo biraon'ny Fadintseranana manerana an’i Madagasikara.

MIC # Nahazo Mpitantana vaovao

Isan’ireo Ministera niova mpitantana ny MIC. Lasa sekretera jeneralin’ny COI mantsy ny Minisitra teo aloha Edgard Razafindravahy. Andriamatoa David Herizo Ralambofiringa moa no voatendry ho Minisitra vaovao. Ny zoma 23 aogositra lasa teo no notanterahina ny famindram-pahefana.
Nanome toky ny Minisitra vaovao fa ho tsara tantana ny Minisitera , ary ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy ny iraka ampanaovina azy. « Ny zavatra efa natomboka teo ambany fiadidian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia ny fitadiavana aloha ny famokarana eto an-toerana, mihoatra ny 80%, ireo zavatra rehetra ilain’ny malagasy andavanandro. Midika izany fa ijerena paika ny famokarana amin’ny fitadiavana fampiasam-bola amin’ny fananganana ozinina lehibe amin’ny famokarana eto amintsika », hoy ny tenany.

Patrick Raharimanana # Nahemotra ny fitsarana azy

Nahemotra amin'ny 17 Septambra indray ny fivoahan'ny didim-pitsarana mikasika an'i Patrick Raharimanana, raha tokony novitaina ny 20 aogositra lasa teo izany. Vesatra roa moa no niampangana an’i Patrick Raharimanana dia ny fanaparitahana zavatra tsy nahazoana alalana tao amin’ny tambazotran-tserasera sy ny fanohitohinana filaminam-bahoaka. Tamin'ny tapaky ny volana May 2024 no nampanantsoina teny amin’ny sampana fikarohana Fiadanana ity mpanao gazety ao amin’ny Gasypatriote ity ary nogiazana ihany koa ny fiandainy .
Nisy moa ny vaovao mikasika ny fikasan'i Patrick Raharimanana hirotsaka amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ao Mahajanga I. Mety miankina amin'ny valin'ny fitsarana azy nefa ny hahafahany hilatsaka ho fidiana na tsia.

Fitantanana ny morontsiraka sy ny ranomasina # Fifanarahan'i Nairobi

Notanterahina teto Madagasikara mandritra ny 3 andro, ny 20 hatramin’ny 22 aogositra 2024, ny fivoriambe faha-11 mahakasika ny fifanarahan’i Nairobi izay ivondronan’ireo firenena ao amin’ny faitra Andrefan’ny Ranomasimbe Indiana. Ny CCI Ivato no nandray izany hetsika iraisam-pirenena izany. Firenena miisa 10 no nandray anjara amin’ity fivoriambe ity izay ahitana an’i Madagasikara, Seychelles, Somalia, Comores, Maurice, Tanzania, Kenya, Mozambique, Afrique du Sud ary France amin’ny alalan’i La Réunion.
Ny fitantanana maharitra ny ranomasina no tanjona ao anatin’ity fifanarahan’i Nairobi ity ka tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny karazanjavamananaina an-dranomasina, fiaraha-miasa ho fiarovana ny ranomasina sy ny morontsiraka raha sendra misy tranga fandotoana an-dranomasina, ady amin’ny fandotoana ny ranomasina avy amin’ny tranga ety an-tany ary ny Gestion Intégrée de Zones Côtières (GIZC).

Ivato # Polisy 49 mianadahy nisitraka fiofanana

Miisa 49 ireo polisy niofana mikasika ny asan'ny PAF eny anivon'ny seranampiaramanidina Ivato. Nampianarina teboka maromaro ireo mpiofana, toy ny fandraisana ireo mpandeha, ireo dingana amin'ny fisavana sy fanamarinana ireo taratasin'ny mpandeha, ny fiarovana amin'ny famarinan'olona sy ny fanondranana an-tsokosoko ireo harenam-pirenena, ny fisorohana ireo tranga mety hitera-doza ho an'ny sidina.
Izany no natao dia mba hanatanterahana ny fanamby napetraky ny Filohan'ny Repoblika, ny amin'ny fanatsarana ny tolotra sy amin'ny famaliana ny hetahetan'ireo olom-pirenena eny anivon'ny seranam-piaramanidina Ivato.

Analamanga # Fiatrehana ny fambolena "vary aloha"

Tantsaha miisa 1010 no nisitraka tohana avy amin'ny fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana sy ny Tetikasa PURPA ho fiatrehana ny famokarana vary aloha ho an'ity taom-pambolena ity, teto amin'ny Faritra Analamanga. Masomboly vary aloha 9,1T, zezika NPK 15,2T ary zezika organika 75,8T no nozaraina tamin'izy ireo.
Distrika miisa 6 no misehatra amin'ny famokarana vary aloha ho an' Analamanga ka toy izao no fitsinjarana ireo mpisitraka: 190 Ambohidratrimo, 230 Anjozorobe, 350 Ankazobe, 100 Antananarivo Avaradrano, 100 Antananarivo Atsimondrano, 40 Antananarivo Renivohitra.

Antsiranana # Kongresy Eokaristika Nasionaly

Nandray hetsika goavana mikasika ny finoana katolika ny faritanin’Antsiranana : ny Kongresy Eokaristika Nasionaly. Nanotrona ny fanokafana izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady. Tonga nanotrona tany na-toerana ihany koa ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ny filohan'ny Antenimierampirenena Justin Tokely. Ny tolakandron’ny Zoma 23 aogositra moa no nanatanterahana ny Sorona Masina lehibe, teny amin’ny Kianja Manarapenitra. Nisy ihany koa ny fitsidihan’izy ireo ny ÉCAR Saint François d’Assise ao Mahavokatra, izay eo andalam-panamboarana. Mbola hanampy amin’ny tohin’ny fanamboarana moa ny filoham-pirenena mivady, araka ny fangatahan’ny Arsevekan’Antsiranana.

Sofia # Tsara ny vokatra Lavanila Maitso

Mahafa-po ny kalitaon'ny Lavanila Maitso, na dia somary nihena aza ny vokatra. Mandeha araka ny tokony ho izy ny tsena. Eo amin’ny 25000 Ar hatramin’ny 30000 Ar ny vidin’ny iray kilao amin’izany lavanila maitso izany. Ao Bealanana moa no misy ny tsenan-davanila, ao amin'ny kaominina Ambohimisondrotra, Ambodisikidy ary Ambararata. Any amin’ny 70km miala ny renivohitry ny distrika ny akaiky indrindra amin’ireo toerana notsirihan’ny ekipan'ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Sofia ireo. Nentanina ireo mpamboly sy mpanangom-bokatra hitandrina ny fepetra isan-tsokajiny amin'ny fikarikarana ny vokatra. Mbola betsaka moa ny kaominina izay mbola tsy misokatra ny tsena ao aminy any amin'ny Distrika telo Mandritsara, Bealanana ary Befandriana, ao anatin’ny Faritra Sofia.

Taolagnaro # Fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny Jono sy ny Famokarana anaty rano

Nisy ny fampahafantarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny Jono sy ny Famokarana anaty rano tao amin'ny fokontany Ambinanibe.
Nisy ny fanentanana mahakasika ny fandraràna ny fampiasàna ny fitaovam-panjonoana tsy manara-dalàna indrindra fa ny fampiasàna lay misy odimoka na “moustiquaires”, teo ihany koa ny “ICAM” na ny fanapoizinana vokatry ny fihinanana haza an-dranomasina mandritra ireo vanim-potoana voalaza (Andro mafana, mandritra ny fanatodizana, mandavan-taona). Teo ihany koa ny fizarana "Brochure" mirakitra ireo Didy aman-dalàna tsara ho fantatra hoan’ireo mpanjono, ahitana ihany koa ny fotoana fikatonana sy fisokafan'ny jono isan-karazany, ireo karazana hazandrano azo trandrahana sy haondrana, sns...

Chine # Fivorian’ny Parlemantera

Na Afrika ny fivoriana iraisam-paritry ny Parlemantan'ireo firenena andalam-pandrosoana ny filohan’ny Antenimierandoholona Richard Ravalomanana. Tany Pékin, Chine, no nanatanterahana izany. Nihaona tamin’andriamatoa Xi Jinping, Filohan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine sy ireo Parlemantera avy amin’ireo firenena mpandray anjara ny delegasiona Malagasy.
Isan’ny nasongadin’ny mpampiantrano fa i "Chine" dia mikatsaka ny hisian'ny fandriampahalemana manerantany. Nisy ihany koa ny fizarana traikefa mahakasika ny fomba nampandrosoana an'i Chine ka nahafahan'ny vahoaka sinoa antapitrisany maro niala tamin’ny fahantrana. Misokatra amin'ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny firenena rehetra moa i Chine.

Sambava # Andron’ny famokarana ny atirano

Ny faritra SAVA no nandray ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny famokarana ny atirano andiany fahatelo, ny 22 sy 23 aogositra lasa teo. Manodidina ny 400 kilometatra ny sisin-dranomasin'ny ny faritra Sava, izay manana renirano 3000 miaraka amin'ny matsabory miisa 146, izay ahitana harena an-dranomamy sy an-dranomasina maro samihafa. Izany indrindra no antony nisafidianan’ny ministeran’ny jono azy tamin’ny fankalazana.
Isan'ny tanjon’ny hetsika tao Sambava ny fampitomboana ny seha-piarihana azo ivelomana ato amin'ny faritra raha ny seha-piarihana lavanila no nampalaza ny faritra hatrizay,eo koa ny fanatratrarana ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo sy hanomezana asa mendrika ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fiompiana trondro.

Sambava# Hiodina ny milina famokarana savony

Hanamboatra savony hatrany amin’ny 12 taonina, izany hoe 500 baoritra isan'andro, ny orinasa ODOF any Sambava. Miavaka satria anisan’ny milina goavana indrindra amin’ireo 75 novidian’ny Fanjakana ny milina ampiasaina ao.Voafantina hitantana ny milina ODOF any Sambava moa ny Kaoperativa Prime.
Tanjona ny hahafahana mamokatra vokatra tsara, mendrika ho jifain’ny malagasy ary indrindra manaraka ny fenitra. Nojeren’ny avy ao amin’ny MIC manokana ity milina lehibe famokarana savony any Sambava ity amin’ny mahasaro-pady ny fepetra sy ny zotram-pamokarana savony. Izany dia nahafahana nanome ireo torolalana rehetra takian’ny fenitra, alohan’ny hirosoana amin’ny fampihodinana sy ny fitokanana azy.

Lire la suite

Articles Similaires