• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tanànan’i Mahajanga : Fenon’ny mpiala sasatra, mpizaika… ny hôtely tsotsotra sy antonony

23/08/2024 19:08 © Moov.Mg

Rakotra olona ny tanànan’i Mahajanga ! Maro dia maro tokoa ireo mponina avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara no misafidy ny renivohitr’i Boeny amin’izao fialan-tsasatra izao, mba hialana voly, na ihany koa hanatanterahana fihaonambe, atrikasa, sy hetsika ara-panatanjahantena.

Famandrihana mialoha

Raha manana vinavina ny handeha hamonjy an’i Mahajanga amin’izao fialan-tsasatra 2024 izao, dia tsara kokoa raha efa manao famandrihana mialoha amin’ny fiara fitaterana, raha handeha taksibrosy, sy ny trano hivantanana, raha hipetraka amin’ny hôtely na trano fandraisam-bahiny hafa. Saika feno avokoa mantsy ireo, amin’izao fotoana izao. Raha ny fiara fitateram-bahoaka izao dia 200 isa mahery isan’andro no miainga eny amin’ny gara Maki Andohatapenaka, araka ny fantatra. Ny hôtely indray dia saika feno avokoa ireo mora hofany sy ireo antonontonony, dia ireo misanda 60.000 Ar no ho midina ny hofan’ny alina iray. Vao misy miala anefa, dia efa miditra ihany koa ireo vao tonga. Maro dia maro tokoa mantsy ireo misafidy an’i Mahajanga amin’izao fotoana izao. Ankoatra ireo mpiala sasatra dia marobe ireo fikambanana samihafa no manatanteraka hetsika any an-toerana. Isan’izany, ohatra, ny Fikambanan’ny Vadin’ny Zandary (FIVAZA), izay nanatanteraka ny zaikabeny ho an’ny taona 2024, ny 22 hatramin’ny 24 aogositra lasa teo, taty an-drenivohitr’i Boeny. Taty an-toerana ihany koa no notanterahana ny « fihaonamben’ny Mpitandrina mivady » manerana ny Nosy, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.

Famatsiana solika

Isan’ny antony nisafidian’ny ankamaroan’ny olona an’i Mahajanga, araka ny fanadihadiana natao, dia izy tany mafana. Idealy izy, noho izany, ho an’ireo mponin’ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony, izay te hisitraka hafanana amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Etsy an-daniny, na dia efa ratsy aza ny lalam-pirenena faha-4, dia mbola azo iafiana ny mihazo an’i Betsiboka sy i Boeny, raha mitaha amin’ny lalam-pirenena faha-2 mihazo an’i Toamasina, hoy ireo fianakavana nisafidy ny hitondra ny fiara keliny manokana. Mila miomana ihany koa anefa amin’ny solika, izay mazàna no ampiana eo Maevatanàna, na eo Ambondromamy, mialohan’ny hanohizana ny dia hatraty Mahajanga. Somary mateti-pitranga mantsy, tao ho ao, ny tsy fisian’ny solika amin’ireo tanàna roa ireo, ka misy amin’ireo fiara hihazo an’i Mahajanga, na handeha hianavaratra, no tafandry an-dalana, miandry ny hahatongavan’ny famatsiana solika.

Lire la suite

Articles Similaires