• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : « Hafainganina ny fanomezana herinaratra sy rano amin’ny faritra rehetra »

23/08/2024 15:50 © Moov

Nandritra ny filan-kevitra ny minisitra omaly izay voalohany ho an’ireo minisitra vaovao vao notendrena no nanomezan’ny Filoham-pirenena hafatra ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo. Nolazainy tamin’izany fa mila hafainganina ny famatsiana rano sy herinaratra ho an’ny faritra rehetra manerana ny Nosy.

Efa tonga ireo fampitaovana

Nanamarika iny filan-kevitry ny minisitra omaly iny ihany koa ny filazan’ny Filoham-pirenena fa efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina ireo fitaovana samihafa entina hanampiana ny famatsiana herinaratra. « Raha eo amin’ny sehatry ny rano dia efa ao Toamasina ireo fantsona hanoloana ireo izay antitra ka tsy azo ampiasaina intsony. Mila atao haingana izany asa izany », hoy hatrany ny Filoham-pirenena tamin’ity Minisitra vaovao ity. Etsy andaniny dia efa vonona ihany koa ireo fitaovana hanampiana ny famatsiana herinaratra. Herinaratra azo avy amin’ny masoandro hatramin’ny 50MW no afaka halefa amin’io fitaovana ao Toamasina io. « Avy hatrany dia hapetaka izy io. Hatombontsika an-tanandehibe aloha izany ary miditra amin’ireo distrika 48 tokony hametrahana azy rehefa avy eo », hoy hatrany ny Filoham-pirenena. Antananarivo hametrahana 10MW. Mahajanga, Toliara ary Toamasina samy hametrahana 5MW avokoa. Ny ambiny rehetra kosa no ho zaraina amin’ireo distrika hafa.

Vahaolana natoraly

Ankoatra izay iraka nampanaovina ity Minisitra vaovao ity izay dia efa nanolotra vahaolana samihafa ny JIRAMA. Tao anatin’izany ny famoronana orana artifisialy. Nahitam-bahombiazana izany raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny orinasa JIRAMA. Nahavita nampiakatra ny haavon'ny rano ao Andekaleka izany ary namokatra herinaratra ampy mba hampihenana ny fahatapahan-jiro. Hanampy antsika amin'ny ampahany izany amin'ny vanim-potoanan'ny main-tany toy izao ary hanome tolotra tsara kokoa ho an'ny Mpanjifa, hoy ny JIRAMA tao amin’ny pejiny. Raha tsiahivina, herinandro vitsy lasa izay nilaza fa miditra anatin'ny vanim-potoan'ny main-tany isika. Nanomboka nihena ny haavon'ny rano amin'ny renirano sy farihy ary tsy afaka mamokatra ny herinaratra ilaina ny

Lire la suite

Articles Similaires