• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lemur Conservation Network
Image
Vaovao

Fizahantany : Mihena ny mpizahatany noho ny olan’ny orinasa JIRAMA

23/08/2024 14:28 © Moov

Miantraika hatrany amin’ny lafiny fizahantany ny olan’ny orinasa JIRAMA. Mihena ny isan’ireo mpizahatany tonga aty Madagasikara amin’izao noho ny fahatapahan-jiro sy rano kanefa vanim-potoana tokony hampitombo azy ny fotoana toy izao. Toy ireo olon-tsotra dia miandry vahaolana maharitra ihany koa ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany.

Tsy tratra ny « pic »

Amin’ny fotoana toy izao indrindra no fotoana lehibe tokony hahatratraran’ny Madagasikara ny « pic » na ny fetr’isa ambony indrindra amin’ny isan’ny mpizahatany. Nanambara ireo trano fandraisam-bahiny fa mihena tsy toy ny mahazatra amin’ny volana toy izao ny isan’ny famandrian-toerana. Raha ny tohin’ny fanazavana hatrany dia noho io olan’ny famatsiana herinaratra sy rano io no mahatonga izany. « Sarotsarotra ny hahatrarantsika io « pic » io amin’ity taona ity. Mihemotra hatrany ny vahiny vao mahare io olana misy aty amintsika io. Etsy andaniny dia hatahorana ny hihenan’io hatrany isan-taona satria manaratsy ny sarintsika eo anivon’izao tontolo izao izany », hoy i Andriampeno Ramiliarison, mpamakafaka ara-ekonomika sady filohan’ny CREM (Cercle de réflexion des économistes de Madagascar). Vahaolana maharitra no andrasan’izy ireo amin’izao satria fotoana tokony hanenjehana io isa faratampony io ny fotoam-pialan-tsasatra toy izao.

Mihena ny vola miditra

Toy ireo orinasa madinika ihany koa dia mampihena ny vola miditra eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ihany koa io olan’ny orinasa JIRAMA io. « Voatery tsy maintsy mitady vahaolana ho an’ny mpanjifa amin’ny fividianana herinaratra mandeha amin’ny masoandro na solika. Ny hetsika rehetra atao amin’ny alina ihany koa tsy maintsy foanana na ahena », hoy hatrany ity mpahay toe-karena ity. Araka izany, mampatsiahy ireto mpisehatra amin’ny fizahantany fa misy ny vahaolana ilaina maika fa tsy tokony hiandry ny vahaolana lavitr’ezaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires