• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cols Bleus
Image
Vaovao

Fitadiavana asa : Mbola malalaka ny sehatr’asa eny an-dranomasina

23/08/2024 12:26 © Moov

Manana ranomasina be velarana ny Nosintsika ary mahaliana mpizahatany maro izany. Noho izay fahamaroan’ny mpizahatany izay dia mbola tena miasa betsaka eto amintsika ny sambo. Raha ny fanazavana sekoly mpampiofana tantsambo iray dia mbola tena malalaka io sehatra io ary mbola tena azo trandrahina. Ny « matelot » no tena karohin’ireo tompon-tsambo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Mila mahafehy teny anglisy

Sehatra iray tsy mila mari-pahaizana ambony ny asa amin’ny sambo. Raha ny fanazavan’ny Tompon’andraikitra iray ao amin’ny Centre de formation maritime de Madagascar (CEFOMAR) dia afaka mandray ny mpianatra rehetra izy ireo. « Anisan’ny fepetra tsy maintsy takiana amin’ireo mpianatra kosa anefa ny fahaizana teny anglisy fa afaka mandray mpianatra manana ny mari-pahaizana BEPC izahay raha feno 18 taona ny tenany. Ireo izay mbola tsy mahay kosa anefa dia afaka miofana hatrany ao amin’ny toeram-piofanana », hoy i Mahafaly Faralafika Florentino, avy ao amin’ny CEFOMAR. Tsara ny manamarika fa ireo tompon-tsambo mihitsy no mitaky izay fepetra izay. Amin’ny ankapobeny manko dia maharitra amam-bolana ny fotoana hijanona eny ambony sambo ary vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo mpifanerasera eny ambony rano eny. Mandray anjara amin’ny « salon des étudiants etsy 67Ha amin’izao fotoana izao ny CEFOMAR.

Mianatra mandritra ny iray volana sy tapany

Vetivety ihany ny faharetan’ny fiofanana ao amin’ny CEFOMAR. Maharitra iray volana sy tapany monja izany ary ireo tena tsy maintsy ho ilaina no hatolotra ireo mpianatra. Ny fahaizana teny anglisy kosa dia hamafisina amin’ny alalan’ny fifaneraserana amin’ireo mpandeha sambo sy ireo mpiasa samihafa any anatiny any », hoy hatrany ny fanazavana. Rehefa feno taona ka hatramin’ny olon-dehibe dia mbola afaka manaraka ny fiofanana avokoa raha mbola manana ny fahefana ara-batana amin’izany. Efa manolotra ny fizaran’asa amin’ireo sambo lehibe ihany koa ny toeram-piofanana aorian’ny fianarana rehetra. Nanamafy rehateo ity Tompon’andraikitra ity fa karama amin’ny « euro » no raisin’ireo tantsambo ao anatin’izany, eny fa na ireo mpizatra asa aza.

Lire la suite

Articles Similaires