• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mandroso hatramin’ny 80% ny asa fanamboaran-dalana Ambohitrimanjaka - Ivato

23/08/2024 09:19 © Moov

Mandroso ny asa fanamboarana ny “voie rapide” na ny lalana mampitohy an’Ambohitrimanjaka amin’ny Ivato. Mirefy 17 km io lalana io ary efa ny 80% ny asa amin’izao fotoana izao no efa vita. Etsy andaniny dia efa toerana kely sisa no tsy vita « terrassement ». Vinavinaina kosa ny hahavitany any ho any amin’ny fiandohan’ny taona 2025 any, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy.

Mbola misy olana vitsivitsy

Nanazava hatrany ny avy ao amin’ny Ministera izay miandraikitra ity asa ity fa efa mandroso dia mandroso ny asa amin’izao fotoana izao. Olana vitsivitsy sisa no antony mbola tsy hahavitan’ny « terrassement » an’io toerana mirefy eo ho eo amin’ny 1.5 km io. « Nisy fikambanana sy fokonolona vitsivitsy izay nanakana ny fananganana ny fotodrafitrasa ka nametraka fitoriana. Amin’izao fotoana izao dia miandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba io ampahan-tany tsy omen’ireo mponina io sisa », hoy ny Tompon’andraikitra ny asa avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy. Araka izany, io sisa no andrasana dia faranana ny « terrassement » ary hofaranana amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ny asa. Tsara ny mampatsiahy fa efa nanamarika ny avy ao amin’ny Fitondram-panjakana fa izay trano tsy maintsy harodana sy izay tany mety ho ilaina dia honerana avokoa. Efa maro ireo nanaiky saingy andrasana ihany koa ny hevitr’ireto mponina sasany ireto.

Efa miasa ny ampahany

Raha tsiahivina dia efa miasa ny ampahany amin’io lalana io amin’izao fotoana izao. Manomboka eo amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka hatreny Andranotapahina izany. Tanjon’ity tetikasa ity ny hanalefaka ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Manamafy ireo mpamily fa efa vetivety amin’izao fotoana izao ny mamita io lalana Ambohitrimanjaka Ivato io raha natao efa ho 30 minitra izany teo aloha. Tsara ihany koa ny manamarika fa mitohy hatrany Antsofinondry sy Mahitsy ny fanamboarana « voie rapide » toy izao ary efa mandroso ny asa. Fiaraha-miasan’ny Madagasikara amin’ny fanjakana Sinoa moa ity tetikasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires