• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Covoyageurs
Image
Vaovao

Valan-javaboaharin’Isalo : Amafisina ny fanentanana sy ny fiambenana

23/08/2024 07:29 © Moov.Mg

Taorian’ireo firehetana nisesisesy, nitranga nanodidina ny valan-javaboaharin’Isalo, dia nisy ny fidinana ifotony notanterahin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Ihorombe, narahin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, ho fitandroana ity faritra arovana ity.

Maro mpizahatany

Ny alarbia 21 aogositra lasa teo no nanatanterahana ny fidinana ifotony, nataon’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD), nijerena ny zava-misy tao anatin’ny faritry ny valan-javaboahary sy ny manodidina azy. Niara-dia tamin’izany ihany koa ny Zandarimariam-pirenena Groupement Ihorombe sy ny Kaomisaria ao Ranohira ary ny avy eo anivon’ny Madagascar National Park (MNP) izay mpitantana ny faritra arovana Isalo. Tsikaritra, nandritra izany fidinana ifotony izany, fa tsy nampihemotra ny mpizahatany ny firehetana nisesisesy fa mbola maro izy ireo, na tera-tany vahiny, na malagasy, no liana mitsidika an’Isalo sy ny tontolo mampiavaka azy.

Mitohy ny fanentanana

Fanapahan-kevitra noraisina, taorian’ny fidinana ifotony natao, ny fanamafisana ny fisafoana ny valan-javaboahary, hiarahan’ny DREDD Ihorombe, ny Zandarimaria, ny Polisy ary ny MNP manatanteraka. Roa herinandro aloha no hanaovana izany, ho fanombohana, ary omaly ihany dia efa natao izany. Ankoatra izay dia hotohizana ny fanentanana eny anivon’ny Fokontany, mba hialan’ny mponina amin’ny fandoroana tanety sy hananan’izy ireo fahazarana tsara miaro ny tontolo iainana. Etsy an-daniny, hisy ny fanatonana ireo “Lonaky to teny”, mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanentanana ny olona tsy hiditra an-tsokosoko ao anatin’ny valan-javaboahary. Ankoatra izay dia hamafisina ny fanentanana halefa amin’ny onjam-peo any an-toerana ary havaozina sy hampitomboina ny isan’ireo takelaka mandrara ny fidirana amin’ny faritra arovana.

Lire la suite

Articles Similaires