• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Governemanta vaovao : 50%-n’ireo Minisitra teo aloha no voatazona

22/08/2024 19:27 © Moov

Tontosa ny hariva teo teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ireo Minisitra mandrafitra ny governemanta vaovao.

Voarafitra indray ny Praiminisitra Christian Ntsay. Azo lazaina fa tsy dia ekipa vaovao no natsangana, satria 50% ihany no tarehy vaovao. Ireo nirotsaka tamin’ny Fifidianana solombavambahoaka farany teo no tena nosoloina. Nisy kosa no mbola niverina minisitra na dia efa lany depiote aza, dia ramatoa Marie Michelle Sahondrarimalala. Olom-baovao ihany koa ny eo amin’ny toeran’ny Minisitry ny Varotra, Edgard Razafindravahy, izay lasa sekretera jeneralin’ny COI. 50%-n’ireo Minisitra moa dia vehivavy avokoa, ary 50%-n’ireo Minisitra teo aloha no voatazona.

Ireo Minisitra voatazona

-Minisitry ny Fanabeazam-pirenena : Marie Michelle Sahondrarimalala
-Minisitry ny Foloalindahy : Général de Division Sahavelo Lala Monja Delphin
-Minisitry ny raharaham-bahiny : Rasata Rafaravavitafika
-Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana : Naina Andriantsitohaina
-Minisitry ny Toekarena : Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison
-Minisitry ny Filaminambahoaka : Contrôleur Général de la Police Rakotoarimanana Herilala
-Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka : Randriamanantany Zely Arivelo
-Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro : Ramonjavelomanambahoaka Valery
-Ministry ny Angovo sy ny Akoran'afo : Olivier Jean-Baptiste
-Minisitry ny Asa, fampananana asa, asam-panjakana : Razakaboana Hanitra Fitiavana
-Minisitry ny harena ankibon'ny tany : Rakotomalala Herindrainy Olivier
-Minisitry ny Jono sy Toekarena manga : Mahatante Paul Bert
-Minisitry ny Tontolo iainana : Max Fontaine
-Minisitra délégué misahana ny zandarimaria : Jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara

Ireo Minisitra vaovao

-Minisitry ny Fitsarana : Rakotomandimby Benjamin Alexis
-Minisitry ny Atitany : Rahajavololoniaina Niritsoa Harinandrasana
-Minisitry ny Fampianarana Ambony : Chaminah Loulla
-Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak'asa : Rasoloarisoa Marie Marcelline
-Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana : Hajarison François Sergio
-Minisitry ny Indostria sy ny Varotra : Ralambofiringa David Herizo
-Minisitry ny Asa vaventy : Rafidison Richard Théodore
-Minisitry ny fizahantany sy ny asatanana : Dewa Viviane
-Minisitry ny mponina sy ny Firaisankina : Razafinjato Aurelie Marie Augustine
-Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra : Stéphanie Delmotte
-Minisitry ny Rano, fahadiovana sy fidiovana : Andrianamelasoa Lalaina
-Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena : Abdulah Marson Moustapha
-Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina : Mara Volamiranty Donna
Tamin’ity indray mitoraka ity, ny Minisitry ny Fitsarana no nanonona ny fianianana, ka samy nanangan-tanana sy nanao sonia avokoa ireo minisitra.

Sivana matotra

Nandalo sivana ireo Minisitra voatendry. Nojerena ihany koa ny valin’ny « évaluation » ho an’ireo Minisitra efa niasa teo aloha nefa voatazona. Samy hanao izay hanatontosana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) izay efa natolotry ny Praiminisitra ny Solombavambahoaka, teny amin’ny Antenimierampirenena. Ny tetikasa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka no tena vaindohan-draharaha. « Mazava ny tanjona, dia ny fampandrosoana an’i Madagasikara », araka ny nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tsy hisy fandeferana, hoy hatrany ny filoha, ny fanaovana tsirambina ny asa atao. Namporisihina manokana ireo Minisitra mba hidina ifotony, hahazoana tsara ny fahasarotana iainan’ny vahoaka. Araka ny toromarika, samy mitazona « tableau de bord » ny minisitra tsirairay anaraha-maso ny fandrosoan’ny asa. Azon’ny Primatiora sy ny Fiadidiana ny Repoblika jerena amin’ny fotoana rehetra io antontan-taratasy io.
Niatrika avy hatrany ny Filankevitry ny Minisitra voalohany moa ireo mpikamban’ny Governemanta vaovao ireo, teny amin’ny Lapan’Iavoloha ihany.

Sekreteram-panjakana

Misy ihany koa ireo Sekreteram-panjakana hiasa amin’ny sehatra samihafa, entina hiadiana amin’ny tsy fananan-jiro, ny fahantrana, ny fiparitahan’ny zavamahadomelina. Misy ireo efa voatendry, ary misy ireo vao ho tendrena.
Miisa roa ireo notononina, dia ny sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao, Gérard Andriamanohisoa, sy ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahavitantena ara-tsakafo, Maminjatovorazanamahefa Tahian’Ny Avo.

Lire la suite

Articles Similaires