• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov - Dr Ramanantsoa Gervais
Image
Vaovao

CSB II Andranofasika : Tsy hita ny nanjavonan’ireo mpivady voatily ho mitondra ny VIH/Sida

22/08/2024 18:59 © Moov.Mg

Voalazan’ny tatitra navoakan’ny ONUSIDA, nivoaka tamin’ny volana ôktôbra 2023, fa faritra mena amin’ny aretina VIH/Sida ny any amin’ny Faritra Boeny. Raha ny zava-misy eny anivon’ireo tobim-pitsaboana fototra (CSBII) anefa, dia vitsy, na tsy misy mihitsy aza, ireo tonga manao fitiliana an-tsitrapo.

Vehivavy bevohoka

Ambany ny tahan’ireo olona mitondra ny otrikaretina VIH/Sida ao amin’ny Faritra Boeny, raha ny voaporofo eo anivon’ny CSB. Tsy voatery ho milaza ny tena zava-misy marina eny anivon’ny fiarahamonina anefa izany. Tranga iray, notantarain’ny Dr Ramanantsoa Gervais, mpitantana ny CSB II Andranofasika, Distrikan’Ambato Boeny, ity manaraka ity. Vehivavy iray mitondra vohoka, tonga nisafo sy nanatanteraka ireo fitiliana mahazatra fanao amin’ny vehivavy bevohoka, no hita fa mitondra ny tsimokaretina VIH. Rehefa notiliana ihany koa ny vadiny, izay tonga niaraka nisafo taminy, dia niabo izany fitiliana voalohany izany. Nalefa tany amin’ny dokotera tomponandraikitra eny amin’ny hôpitalin’ny Distrika (CHD) any Ambato Boeny izy ireo, saingy tsy nankeny. Nampitadiavina ny mpanentana ara-pahasalamana ihany koa, saingy tsy hita popoka. Nanamarika ny Dr Ramanantsoa Gervais, fa avy amin’ny foko mpifindra monina ireto mpivady ireto ary mbola manaraka ny fomban-taniny, dia ny fanambadiana maro, ilay lehilahy, izany hoe : ahiana ny fiparitahan’ny otrikaretina any amin’ireo vehivavy hafa vadin’ity lehilahy ity.

Fitiliana an-tsitrapo

Raha ny ao amin’ny CSB II Andranofasika dia tsy misy mihitsy ny olona tonga manao fitiliana VIH/Sida an-tsitra-po, hoy ny dokotera tomponandraikitra. Tahaka izany koa ny zava-misy ao amin’ny CSB II Belobaka, Distrikan’i Mahajanga II. Ireo vehivavy tonga misafo sy ireo olona ahitana tsiranoka mampiahiahy amin’ny taovam-pananahany ihany, no atao fitiliana, araka ny fanazavan’ny dokotera Julio Romaric, mpitantana ity CSB II ity. Noho izany indrindra, ilaina ny manatona eny anivon’ny fiarahamonina ary eny no manatanteraka ny fitiliana voalohany, raha tena te hahalala ny zava-misy marina, hoy ny soso-kevitry ny Dr Ramanantsoa Gervais. Tena ilaina ihany koa ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny olona momba ny VIH/Sida, ny fomba fifindrany, ary ny fandraisana an-tanana azo atao. Farany, isan’ny angatahan’ity dokotera ity ny hahafahana manao ny fitiliana andiany faharoa eny anivon’ny CSB II, satria mety ho sakana ho an’ireo olona ny fandehanana manatanteraka izany any Ambato Boeny.

Lire la suite

Articles Similaires