• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Odilon Tsaramanana
Image
Vaovao

Voka-panadinana bakalôrea tao Mahajanga II : Nisy nahazo taham-pahafahana 100%

22/08/2024 18:50 © Moov.Mg

Nahafa-po ny voka-panadinam-panjakana BEPC sy bakalôrea tao amin’ny Faripiadidiam-pampianarana (CISCO) Mahajanga faha-2. Nametraka paikady manokana mihitsy ny tany an-toerana, mialohan’ny fanadinana, ka nahazoana izao vokatra izao.

Lisea vaovao

Isan’ireo Faritany namoaka voka-panadinam-panjakana tsara i Mahajanga, indrindra teo amin’ny fanadinana bakalôrea. Ho an’ny CISCO Mahajanga II manokana, mpiadina 296 isa tamin’ireo 375 niatrika ny fanadinana bakalôrea no afaka soa aman-tsara. Lisea efatra no hita ao an-toerana, ka ny roa amin’ireo no vao nijoro vao haingana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Chef CISCO) ao Mahajanga II, Tsaramanana Odilon. Araka izany, andiany voalohany ireto mpianatra afaka bakalorea ireto, ho an'ny lisea Boanamary ary faharoa kosa, ho an’ny lisea manara-penitra Salama Bekobay. Tahaka izao izany voka-panadinana tsara dia tsara izany : nahatratra 88,88% ny taham-pahafahana ho an'ny sokajy D ho an'ny lycée manara-penitra Salama Bekobay, ary 93,75% ho an'ny sokajy A. Ho an'ny lycée Sacré Cœur Besakoa, 100% ny taham-pahafahana ho an'ny sokajy D ary 98% ho an'ny sokajy A. Ho an'ny lisea Antanimalandy, 77% ny taham-pahafahana ho an'ny sokajy rehetra mifangaro ary 53,58% kosa izany ho an'ny lisea Boanamary.

Karama iray volana

Paikady napetraka ny fanamafisana ny famerenan-desona, roa volana mialohan’ny niatrehan’ireo mpianatra ny bakalôrea. Tsy nody antoandro izy ireo fa nasaina nitondra sakafo avokoa. Nisy ihany koa ny fanatanterahana « classe verte », iray volana mialohan’ny niatrehan’ny mpianatra ny fanadinana, ary niantohana ny sakafon’izy ireo. Isan’ny anjakan’ny fahatapahan-jiro ny aty amin’ny Faritra Boeny, saingy « tsy natao hahakivy izany », hoy hatrany ny chef CISCO. Isan’ny nanohana, ka nahazoana izao vokatra tsara izao moa ny solombavambahakan’i Mahajanga II teo aloha, Rasalama Léon, izay nankasitrahan’ny Chef CISCO manokana. Izy, araka ny fanazavana, no angady nananana sy vy nahitana ny lycée Bekobay sy ny foibem-panadinana ao Besakoa. Velom-pisaorana ireo mpampianatra 52 mianadahy, izay nampita fahalalana tamin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana ihany koa, ny Chef CISCO, ka hanolotra ny karamany iray volana ho azy ireo, ho fanehoana hafaliana sy ho mari-pankasitrahana.

Lire la suite

Articles Similaires