• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Acm
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Ho hita eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny BIANCO

22/08/2024 18:11 © Moov.Mg

Toerana isan’ny malaza ratsy amin’ireo karazana kolikoly ireo seranam-piaramanidina manerana an’i Madagasikara ary isan’ny manaratsy endrika ny firenentsika izany. Paikady iray hapetraka, ho famongorana izany, ny fametrahana rantsamangaikan'ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO).

Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Kôlônely Damasy Gervais, tale Jeneralin'ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), androany 22 aogositra 2024, ny tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Tafiditra tao anatin’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa mba ho fiadianna amin’ny kolikoly, izay mateti-pitranga manerana ireo seranam-piaramanidina rehetra eto Madagasikara, indrindra ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena. Nataon’ny fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ny ady amin’izany kolikoly izany, ka antony hametrahana rantsamangaikan’ny BIANCO eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, manomboka amin’io herinandro ho avy io. Fanombohana ihany izany, fa hitohy any amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Fascène Nosy be ihany koa izao paikady fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly izao.

Mandray fitarainana

Asa hotanterahin’ny BIANCO, ao anatin’izany, ny fanentanana ireo mpisehatra rehetra eny amin'ny seranam# piaramanidina, mba hiaraka hiady amin’ny fanaovana kolikoly. Eny ihany koa ireo mpiasan’ny BIANCO, mandray ny fitarainana sy ny soso-kevitra avy amin’ireo mpandeha mivezivezy eny an-toerana, mba ho fanatsarana ny fomba fiasa sy hanarenana ireo lesoka nampikaikaika ny maro hatramin’izay. Nampanantena moa ny ACM sy ny BIANCO mpiara-miasa aminy, fa ho ezahina ny hamaliana ireo fitarainana voaray, ao anatin'ny iray volana. Ankoatra ny ady amin’ny kolikoly dia tanjon’izao paikady izao ihany koa ny hanafainganana ny pitsopitsony rehetra mahakasika ireo mpandeha.

Lire la suite

Articles Similaires