• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy News
Image
Vaovao

SECES Nasionaly : Miandry fatratra ny fijoroan’ny Governemanta ho fanatsarana ny fampianarana ambony

22/08/2024 16:26 © Moov

Manoloana ny olana maro be izay miseho eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, manao antso avo ny SECES na ny Fikambanan’ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpampianatra mpikaroka nasionaly. Andrasana fatratra hoy izy ireo ny fijoroan’ny governemanta hikaroham-bahaolana malaky.

Fikaonan-doha

Nanambara ny SECES fa efa nandefa vahaolana samihafa tany amin’ny Fitondram-panjakana. Anisan’ny noresahin’izy ireo tamin’izany ny mikasika ny vatsim-pianarana sy ny olana ara-tsosialy isan-karazany eny anivon’ny Oniversite. Anisan’ny vahaolana tamin’izany ny fikaonan-doha lehibe izay hiarahana amin’ny Ministera afaka mamaha ny olana. « Tsy afaka manatanteraka io vahaolana isika raha tsy mijoro tsara ireo governemanta. Ity fifampiresahana ity ihany anefa no tena azo antoka hamahana ny olana lehibe amin’izao fotoana izao io », hoy ny Filohan’ny SECES Nasionaly, Faliarivony Randriamialinoro. Marihina moa fa amin’ity anio ity no hitsanganan’ny Governemanta vaovao ka miandrandra izany fatratra ny mpisehatra eo anivon’ny Oniversite. Fanirian’izy ireo ny hahazoana vahaolana avy amin’izay Minisitra vaovao ho avy eo. Raha tsiahivina dia efa volana maromaro izay no mpisolo toerana ny ankamaroan’ireo Minisitra nandrafitra ny Governemanta. Izay tena ho minisitra ho avy eo araka izany no mety hitondra vahaolana.

Filaminana sosialy

Ankoatra izany rehetra izany anefa dia anisan’ny fangatahan’ny SECES, indrindra ny avy eto Antananarivo ny filaminana ara-tsosialy eny anivon’ny Oniversite. Manentana ny tompom-pahefana, hiroso amin’ny fametrahana ny filaminana sosialy, hoy izy ireo. Tanterahina avy amin’ny tolo-kevitra avy eny ifotony izay antoky ny fahombiazana akademika izany. Eo ihany koa ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra mba hanavahana ny vary amin’ny tsiparifary, hoy izy ireo hatrany tamin’ny fanambarany. Vahaolana voadinika tsara sy mahomby ary hitondra filaminana sosialy maharitra no andrasan’izy ireo ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires