• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jica Madagascar
Image
Vaovao

Tetikasa GESDA : Natomboka ny Tetikasa andrana faharoa ho fanatsarana an’Andralanitra

22/08/2024 14:16 © Moov

Taorian’ny andrana voalohany izay notanterahina tamin’ny taona 2023. Natomboka tamin’ity volana ity indray ny tetikasa andrana faharoa ho fanatsarana an’Andralanitra sy ny fako ao aminy. Tetik’asa andrana izay mikendry ny fanatsaràna ny toerana fanatobiana fako eny Andralanitra. Tetik’asa andrana ihany koa izay tafiditra ao anatin’ny Tetik’Asa lehibe GESDA na “Tetik’Asa Fanatsaràna ny Rafi-pitantanana ny Fako eto Antananarivo”.

Fampiharana ny FUKUOKA

Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny JICA/ Japon izay nosoniavin’i Madagasikara ny taona 2022 ity GESDA ity. Ny tanjona amin’izany, raha tsiahivina dia ny hanatsara io toerana fanatobiana ny fakon’Antananarivo io. Tamin’ity andiany faharoa ity ny fampiharana ny fomba fiasa FUKUOKA no nampiharina sy natao andrana teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ireo foto-drafitrasa natao hanangonana ny entona sy rano-pako. Tanjona amin’izany ny fiantohana ny fidiran'ny rivotra ao amin'ny toerana fanariam-pako hahafahana mahazo ny "décomposition aérobic" ho an'ny fako voaangona. Ho arovana ihany koa ireo mivezivezy ao anatin’io Andralanitra io ka ao anatin’ity FUKUOKA ity ny fanalefahana ireo tevana mety hampidi-doza ao Andralanitra, amin’ny fitrongisana ireo havoanam-pako. Raha tsiahivina, ny tetik’Asa andrana voalohany notanterahina teny Andralanitra moa dia mikasika ny fanamboaran-dalana anatin’ny toerana fanatobiana fako. Natao izany mba hahamora ny fahafahan'ny fiarabe manatitra ny fako.

Hitsinjo olona hatramin’ny 1 800 000

Haharitra efa-taona ity tetikasa GESDA ity izany hoe hifarana amin’ny taona 2026. Ao anatin’izany dia hitsinjo olona hatramin’ny 1 800 000 ny fanatsarana ity toeram-panatobiana fako ity. Tanjona ny hanatsara ny fanangonana sy fitaterana ny fako, ny fahaizana mitrandraka sy mitantana ny toeram-pitobiam-pako izay vahaolana akaiky sy maharitra, ho fitantanana mendrika ny fako. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatrarana ny vokatra ny “ Tondrozotra Madagasikara madio” amin’ny tanàn-dehibe ity asa ity. Tsara moa ny mampatsiahy fa 18 ha ny velaran’ny toby fametrahana fako eny Andralanitra. Nanomboka nampiasaina tany amin’ny taona 1960. Efa mahatratra hatramin’ny 20m ny haavon’ny fako mivangongo ao ankehitriny ka izay no tena anton’ity tetik’asa ity.

Lire la suite

Articles Similaires