• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rural Northwest Health
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mila hery fiarovana matanjaka ny fiadiana amin’ny aretina nendran’ny gidro

22/08/2024 12:07 © Moov

Efa miparitaka tanteraka ao Afrika ny aretina nendran’ny gidro na ny « mpox ». Raha ny fanambaran’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao dia mbola tsy tafiditra eto Madagasikara izy io. Etsy andaniny anefa dia manentana ny mpitsabo ny hiomanana amin’ny mety hahatafidiran’izany. Mila hampitomboina ho betsaka kokoa ny hery fiarovana raha te hiaro tena amin’io aretina io.

Mila mitandrina

Amin’izao mbola tsy hahatafidiran’io aretina io izao dia efa mila mitandrina sahady isika eto Madagasikara amin’io aretina io. Raha ny fanazavana manko dia betsaka ny irika mety hahatafidiran’izany eto amintsika. Ny fitandremana no tokony atao betsaka ao anatin’izany rehetra izany. « Raha manana hery fiarovana marefo dia mila manampy izany. Mila ihany koa mitadidy tsy tapaka ireo fihetsika sakana rehetra izay nampiasaina nandritra ny fandalovan’ny aretina Covid-19. Marihina ihany koa fa aretina mahafaty haingana izy ity ka io fampitomboina ny hery fiarovana io dia efa vahaolana », hoy i Dokotera Manitra Rakotoarivony. Araka izany, ilaina ny fansana tanana matetika amin’ny rano sy ny savony. Tokony hiverina ihany koa hoy ny tenany ny fampiasana ny aro vava orona mba hifampiarovan’ny tsirairay. Mila mihinana sakafo ara-pahasalamana sy manao fanatanjahantena hahafahana mampitombo hery.

Aretina mora mifindra

Nanazava hatrany ity mpitsabo ity fa aretina mora mifindra loatra ity nendran’ny gidro ity. « Raha ho antsika eto Madagasikara izao dia mety ny olona samy olona no hamindra azy fa tsy ny biby ka io indrindra no tokony handraisana fepetra », hoy hatrany i Dokotera Manitra. Ny fiakaran’ny hafanana be loatra miampy mandrotsirotsy na teboteboka amin’ny vatana no tena mila tandremana. Ny tena mety dia ny manatona mpitsabo avy hatrany vao mahita fiovana amin’ny vatana. Etsy ankilany dia tokony hialana ihany koa ny fifampikasohana amin’ny endriny rehetra. Amin’ny endriny maro ihany koa ny fiarovana azo atao ary adidin’ny tsirairay ny mandray andraikitra amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires