• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar 2023
Image
Vaovao

Fitsaboana : Hotanterahina any Nosy Be ny fihaonamben’ny « infirmiers » rehetra manerana an’ny Afrika

22/08/2024 10:42 © Moov

Niainga androany teto Antananarivo ny delegasiona hiatrika ny « Forum Africain Des Infirmiers ». Hotanterahina any Nosy Be ny 23 hatramin’ny 25 aogositra izao izany ary firenena miisa 9 no mandray anjara amin’izany. Fihaonambe voalohany ho an’ny Afrika ity tanterahina ity.

Fanatsarana ny lafiny fitsaboana

Manana ny asa mampiavaka azy ny « infirmier » eny anivon’ireny tobim-pitsaboana samihafa ireny. Raha ny fanazavana dia mbola tsy tena misy ny dikan-teny mazava afaka hamaritana io teny io. Etsy andaniny anefa dia anisan’ny mitana anjara toerana lehibe izy ireo eo amin’ny fitsaboana. Ho fanatsarana hatrany izany fiasan’izy ireo sy ny fandraisany anjara amin’ny asa eny anivon’ny hôpitaly no tanjon’ity fihaonambe ity. Voalohany indrindra aty Afrika ity tanterahina ao Nosy be ity. Telo andro, handinihana lahadinika maro saingy ny tanjona lehibe indrindra dia ny handaminana ny sehatr’io asa io aty Afrika. Anisan’ny hodinihina ihany koa ny kalitaon’ny fitsaboana eto Madagasikara sy ny fomba hanavaozana ary hanatsarana izany. Farany, tafiditra ao anatin’ny lahadinika ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena maro be aty Afrika. Ao anatin’izany rehetra izany dia hisy ny fifanakalozan-kevitra hahafahana mamoakatra hevitra marolafy.

Fandaharam-pianarana

Anisan’ny raisina ho zava-dehibe amin’ity fihaonambe ity ny firesahana ny fandaharam-pianarana eny amin’ireny sekoly mpampiofana « infirmier » ireny. Raha ny fahatsapan’ny holafitra sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia zary maka tahaka ny fomba fampianarana any ivelany ny sekoly eto Madagasikara. « Tokony hampifanarahana amin’ny zava-misy eto amintsika ny fampitana fahalalana. Tokony misy fanamboarana amin’ny antsipiriany mihitsy io fandaharam-pianarana io », hoy ny Filohan’ny holafitra, Botosera Andrianarison. Efa manomboka tsikelikely ny fivoriana hamolavolana io fandaharam-pianarana io, manoloana izany rehetra izany. Ny hany tanjona, hoy hatrany ity Filohan’ny holafitra ity dia ny hampifanaraka izany amin’ny zava-misy eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires