• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Fanabeazana : Misy ireo fepetra noraisina hanalefahana ny fampidirana mpianatra

22/08/2024 09:15 © Moov

Efa mamaraparana ny fisoratana anaran’ny mpianatra ny eny amin’ny ambaratonga voalohany amin’izao fotoana izao. Efa miomana ihany koa amin’ny fidiran’ny mpianatra ny 4 septambra sy ny 9 septambra ho avy izao. Manoloana ireo fahasahiranan’ny Ray aman-dReny dia samy nametraka fepetra hanamorana sy hanampiana ireto farany ny sekoly tsirairay.

Fiaraha-miasa amin’ny Ray aman-dReny

Noho ny fidangan’ny vidim-piainana, niakatra niaraka tamin’izay ihany koa ireo vidian’ny fitaovam-pianarana samihafa. Araka izany, ho fitsinjovana ireo Ray aman-dReny dia nametraka fepetra isan-karazany ireo Sekoly sasantsany. Misy amin’izy ireo no tsy nampiakatra ny saram-pianarana. Misy kosa ireo nanamora ny fandoavana ny vola ilaina rehetra. « Maro ireo Ray aman-dReny no mangataka aminay ny mba hanamorana io fandoavam-bola io. Amin’ny ankapobeny dia ny saram-pisoratana anarana sy ny « frais généraux » no tsy maintsy nalohan’izy ireo aloha amin’izao voalohany izao », hoy ny Mpiandraikitra Sekoly tsy miankina iray. Maro amin’ny sekoly no mametraka ny tsy maintsy handovana miaraka amin’ireo roa ireo ny saram-pianarana volana voalohany. Ho fitsinjovana ireo Ray aman-dReny dia nanaiky izy ireo fa amin’ny fidiran’ny mpianatra mihitsy ny handoavana izany farany izany.

Ambany ny taham-pisoratana anarana

Maro ireo sekoly tsy miankina no mbola milaza amin’izao fotoana izao fa mbola vitsy ireo Ray aman-dReny tonga manoratra anarana. Ho an’ity sekoly iray nanaovana fanadihadiana ity izao dia mbola vao 75% ny taham-pisoratana anarana. Hatahorana ny hidinan’io taha io amin’ity taona ity hoy ireo tompon-tsekoly satria efa roa herinandro eo ho eo sisa dia hiditra ny mpianatra. Mifandray ao anatin’izany fahasahiranan’ny Ray aman-dReny izany ihany koa ny fahalafosan’ny fitaovam-pianarana. Tsy mitsaha-miakatra izy io. Olana, hiraisan’ny Ray aman-dReny eny amin’ny sekoly tsy miankina sy ny miankina amin’ny fanjakana io. Na dia nametraka aza ny Fitondram-panjakana hatramin’ny taona 2020 fa maimaimpoana ny mampianatra zaza eny amin’ny sekolim-panjakana. Vahaolana maharitra amin’izany no tokony karohina satria mampikolay ireo Ray aman-dReny ny mbola vola aloha ho an’ny sosialy eny.

Lire la suite

Articles Similaires