• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Tetikasa Fiovana - ADRA : Tanora ny 53% tamin’ireo mpahazo tombontsoa mivantana

21/08/2024 21:32 © Moov.Mg

Nifarana ny tetikasa Fiovana, izay notanterahin’ny Masoivoho Advantista ho an’ny Fampandrosoana sy ny Fanamaivanana ny Fahavoazana (ADRA), nandritra ny 5 taona.

Fiatrehana ny loza voajanahary

Notontosaina androany 21 aogositra 2024, teny Ankorondrano, ny lanonam-pamaranana tamin’ny fomba ôfisialy ny tetikasa Fiovana, izay notanterahin’ny ADRA tany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara ary novatsian’ny Sampandraharaha Amerikanina ho an'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) vola. Distrika 5 teto Madagasikara no nanatanterahana ny asa ary olona manodidina ny 431 520 isa no nahazo tohana ho fanatsarana ny fiahiana ara-tsakafon’izy ireo. Ny tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany no tena nisitraka ity tetikasa ity, noho ireo Faritra ireo nianjadian’ny rivo-doza nifanesy. Tanjona ny fanampiana ireo mponina marefo ho afaka hiatrika ny loza voajanahary. Isan’ny niompanan’ny tetikasa ny jono, noho ny hazandrano izay isan’ny manampy amin'ny ady amin'ny tsifanjariantsakafo, satria mitondra otrik'aina betsaka, ka mifanampy amin'ireo sakafo maroloko. Namporisihina, noho izany, ireo vondron’olona ifotony, mba handray andraikitra amin’ny ady amin’ny jono vaventy tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (INN).

Fampiroboroboana ny fahasalamana

Isan’ny notohanana manokana ihany koa ny tanora, indrindra tamin’ny fampiofanana arak’asa, mba hananan’izy ireo velon-tena. Isan’izany ny fampianarana manamboatra savony. Tao anatin’ity tetikasa Fiovana ity dia tanora avokoa ny 64.006 isa (53%) tamin’ireo mpahazo tombontsoa mivantana, izay miisa 121.467. Etsy an-daniny, niady ho an'ny fampanajana ny zon'ny vehivavy ny tetikasa Fiovana, tamin'ny asa rehetra nataony. Tafiditra ao anatin'izany ny zon'ny vehivavy ho voaaro amin'ny karazana herisetra. Ankoatra izay dia tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny tetikasa Fiovana ny fanatsarana ny rano sy fanadiovana ary fidiovana, ho fampiroboroboana ny fahasalaman’ireo tokantrano any Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Taorian’ireo fanentanana nataon’ny tetikasa dia manodidina ny 1 250 isa ireo kabone natsangana, na nohatsarain’ireo mpahazo tombontsoa, ary 56 ireo tanàna nahazo fanamarinana fa madio sy afaka tamin’ny fangerena ankalamanjana.

Isan’ny tonga nanome voninahitra ity fotoam-pamaranana ny tetikasa Fiovana ity ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ratohiarjaona Suzelin ; ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert ; ny goverinoran'ny Faritra Vatovavy, ny Tale Jeneralin’ny USAID Madagasikara, Michele Russell ; sy ireo Tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Nisy ihany koa, tamin’ity fotoana ity, ny fampiratiana ireo asa tanana sy ireo zava-bitan'ireo tantsaha izay notohanan’ny tetikasa Fiovana.

Lire la suite

Articles Similaires