• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Faritra Betsiboka : Tafakatra 7% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika

21/08/2024 19:45 © Moov.Mg

Tsy ny any amin’ny Faritra Atsimo ihany no ahitana trangana tsy fanjariantsakafo, fa manerana an’i Madagasikara mihitsy. Isan’ny nahitam-piakarana, araka ny fantatra, ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika, ao amin’ny Faritra Betsiboka.

Mpiara-miombon’antoka

Mila mpiara-miombon’antoka ara-bola ny eo anivon’ny Faritra Betsiboka mba hanohana amin’ny amin’ny tsifanjariantsakafo, araka ny nambaran’ny Dr Rakotondranaivo Sévérin Henri, mpandrindram-paritry ny Ofisim-paritry ny Fanjariantsakafo (ORN) aty an-toerana. Niakatra mantsy ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika ho an’ny Faritra Betsiboka, araka ny fanadihadiana farany natao. Raha 5% izany tany amin’ny taona 2012, dia efa tafakatra 7% amin’izao fotoana izao, araka ny antontan’isa avy eo anivon’ny ORN. Isan’ny antony mahatonga izany ny fahavitsian’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Ofisy Nasiônaly sy ny Ofisim-paritry ny Fanjariantsakafo (ONN/ORN) miasa amin’ity Faritra ity manokana sy any amin’ny tapany Avaratr’i Madagasikara amin’ny ankapobeny. Vokatr’izay dia lasa somary nihena ny fanaraha-maso ny fanjariantsakafo eny ifotony, antony mampiakatra ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika, hoy ny mpandrindram-paritry ny ORN Betsiboka.

Mpiasa volamena

Raha ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ao Betsiboka no jerena, dia ambany ihany, raha mitaha amin’ny Faritra hafa eto Madagasikara. Manodidina ny 26 na 27% izany, hoy ny Dr Rakotondranaivo Sévérin Henri. Ny fisian’io tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika ambony io anefa dia midika fa misy ivona tsifanjariantsakafo (poche de malnutrition) ao amin’ny Faritra, ka tokony itondrana vahaolana haingana izany. Amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavana, dia any amin’ireo toerana ahitana mpiasa volamena no tena ahitana io taha ambony amin’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika io. Ny fanaraha-maso andavanandro ataon’ny ORN no nahitana fa ny Distrikan’i Maevatanàna, izay renivohitry ny Faritra, no tena ahitana tahana tsifanjarintsakafo mahery vaika ambony indrindra any Betsiboka, indrindra ny any amin’ireo Kaominina be mpiasa volamena. Antony mahatonga izany ny tsy fanaraha-maso ny sakafon’ny zaza. Fa na ireo ray aman-dreny ihany koa aza dia zara raha mihinana.

Teti-bolam-panjakana

Isan’ny paikady napetraky ny ORN Betsiboka, hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo eo anivon’ny Faritra, ny fiarahana miasa akaiky amin’ireo sampan-draharaha rehetra misy, ka misehatra amin’izany ady amin’ny tsifanjariantsakafo izany. Isan’izany ny fitaleavam-paritr’ireo ministera isan-tsokajiny, toy ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, ny ministeran’ny rano, fanadiovana, fidiovana... Miantso ireo mpisehatra rehetra amin’ny tsifanjariantsakafo ihany koa, mba hanohana azy ireo, ny mpandrindram-paritry ny ORN Betsiboka, satria tsy vitan’olon-tokana, hoy izy, ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Ankoatra izay dia efa nampita hevitra tamin’ny kaomisiônina momba ny fahasalamana eo anivon’ny Antenimierampirenena ity tomponandraikitra ity, mba hanao adisisika hatrany, mba hampiakarana ny teti-bolam-panjakana ho an’ny sehatry ny tsifanjariantsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires