• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Manomboka ny fakan-kevitra nasionaly ho an’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena ho an’ny taona 2025-2030

21/08/2024 16:25 © Moov

Miditra amin’ny fanombohan’ny famolavolana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly ho an’ny taona 2025-2030 ireo rafitra miantsoroka izany. Natomboka tany Mahajanga ny fakan-kevitra raha mbola handalo amin’ireo renivohi-paritany hafa rehetra

Laharam-pahamehana

Raha tsiahivina dia nilaza ny Filoham-pirenena fa ho atao asa laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly. Izany indrindra no maha zava-dehibe ity fakan-kevitra nasionaly ity. Araka izany, anisan’ny mety ho hita ao anatin’io paikady vaovao io ny asa voalohany izay ho tanterahina momba ny fisorohana anatin’ny sehatra samihafa. Tsara ihany koa ny manamarika fa misandrahaka amin’ny sehatra maro ary ahitana mpisehatra samihafa ireo hangalana hevitra momba io paikady vaovao io. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ireo sonia izay natao mikasika ireo fifanarahana momba ny ady amin’ny kolikoly rahateo ity paikady vaovao ity. « Raha tsiahivina dia nanasonia ireo convention internationale dia ny Convention des Nations Unies Contre la Corruption (CNUCC) sy ny Convention de l’Union Africaine pour la prévention et la lutte contre la corruption isika eto Madagasikara. Izany indrindra no tsy maintsy hanaovana ity paikady vaovao ity. Tanjona ao anatin’izany ny hahafahana manatratra ny tanjona dia ny fanafoanana ny kolikoly », hoy ny Tompon’andraikitra isam-paritry ny ARAI (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites) Mahajanga, Harena Harisoa Rajaonarivelo.

Mbola maro ny hatsaraina

Raha tsiahivina dia ny 1 aogositra 2024 no nifarana ny dingana voalohany tamin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena vaovao hiadina amin’ny kolikoly. Niompana tamin’ny tombana sy ny jery todika ny paikadim-pirenena izay nampiasaina ny taona 2015-2025.Tao anatin’izany rehetra izany dia hita sy tsapa fa mbola maro ireo mila hatsaraina manoloana io ady amin’ny kolikoly io. Izay 10 taona izay ihany koa raha ny fanazavana dia nentina nanatanteraka fisorohana, fitiliana ary famaizana ireo trangana kolikoly. Nahafahana ihany koa nanamafy ireo fahaiza-manao manokana nilaina teo amin’ny rafitra miady amin’ny kolikoly. Na dia teo aza izany asa rehetra vita izany dia nahitana fiakarany ny tranga na kolikoly ka izay no tena anton’io paikady vaovao ho rafetina io.

Lire la suite

Articles Similaires