• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Tetikasa Fiovana : Olona miisa hatramin’ny 431 520 tao Fitovinany nahazo tohana amin’ny fiahiana ara-tsakafo

21/08/2024 15:29 © Moov

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy androany tetsy Ankorondrano ny tetikasa Fiovana an’ny ADRA (Agence Adventiste d'Aide et de Développement) ka vatsian’ny USAID vola. Nisy ny fampirantiana ny asa vita sy ny velon-tena vaovaon'ireo mponina tamin'ity anio ity.

Niasa nandritra ny dimy taona tany amin’ny faritra Fitovinany izy ireo ary olona hatramin’ny 431 520 no nahazo tombontsoa tamin’izany. Miparitaka amina fokontany miisa 475 ireo olona ireo.Anisan’ny nanohana ny tetikasa tamin’izany ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga (MPEB) ary ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE).

Fahavitan-tena ara-tsakafo

Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana ny momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo ity tetikasa ity. Toerana handalovan’ny rivo-doza matetika mantsy i Fitovinany kanefa toerana azo trandrahina amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Izany indrindra no antony nanampian’ireo Ministera roa ny ADRA mba ho fanatratrarana ireo tanjona ireo. « Fampiofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana no natolotra ireo mponina tany an-toerana nandritra ireo dimy taona ireo. Raha ny tombana dia tsara ny ezaka vita satria miha-maro ireo manana velon-tena sy sakafo ara-pahasalamana », hoy i Ratohiarijaona Suzelin, Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana. Ankoatra izany anefa dia nampiana teo amin’ny lafiny fahasalamana sy fanjarian-tsakafo sy ny fahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro (résilience) ihany koa izy ireo. Etsy andaniny dia nanohana olona hatramin’ny 3 000 teo ho eo ihany koa ny MPEB. Nanampy tamin’ny velon-tenan’ireo mponina ny fahaizany miompy trondro ary nanampy ihany koa tamin’ny fahazoana sakafo ara-pahasalamana.

Vola 48 tapitrisa dolara

Marihina etoana fa ny USAID no namatsy vola ity tetikasa ity. Vola mitentina hatramin’ny 48 tapitrisa dolara no nampiasaina nandritra izay dimy taona izay. Fampiofanana, fampitaovana ary fanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalana sy ny toho-drano no nampiasaina izany vola izany. Samy nahazoan’ireo mponina tombony avokoa izany rehetra izany. Tanjona ihany koa ny hampihenana ny salan’isan’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahatratra 42% amin’ny zaza malagasy amin’izao fotoana izao. Vinavinaina araka izany ny hitondrana ny tetikasa any amin’ny faritra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires