• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jeux De Melaky
Image
Vaovao

Festival : Hotanterahina ny 23 aogositra hatramin’ny 1 septambra ny « Jeux du Melaky » faha-35

21/08/2024 13:54 © Moov

Miditra amin’ny andiany faha-35 sahady amin’ity taona ity ny « Festival Jeux de Melaky ». Hifamotoana ao Besalampy indray araka izany ny distrika miisa 6 ao amin’ny faritry Melaky ny 23 aogositra hatramin’ny 1 septambra. Ahitana ny Distrikan’ny Maintirano, Antsalova, Ambatomainty, Morafenobe, Besalampy ary ny Boriborintanin’ny Tambohorano. Ny Comité d’Organisation du Jeux du Melaky hatrany no mikarakaraka ny hetsika izay hiarahany miasa amin’ny Telma Madagascar.

Mpandray anjara miisa 810

Miandry mpandray anjara miisa hatramin’ny 810 ity hetsika lehibe iray ao Melaky ity. Raha ny fandaharam-potoana rahateo dia maro ireo lalao afaka handraisana anjara araka ny fahaizan’ny tsirairay. Ao anatin’izany ny hazakazaka, « basket », baolina kitra, « volley ball », « beach soccer », ny tsipy kanetibe ary ny hazakazaka am-bisikileta. Ankoatra ireo lalao ara-panatanjahantena dia hetsika natao hampiroboroboana ny kolontsaina misy any an-toerana ihany koa io fotoan-dehibe io. Anisan’ny afaka handraisan’ireo mponina anjara araka izany ny vakodrazana sy ny fifaninanana « miss Melaky ». Ho feno ny fandaharam-potoana. Fotoan’ny fialan-tsasatra rahateo izao ka afaka ny hisitraka izany am-pilaminana ireo mponina sy ireo vahiny. Etsy andaniny moa dia olona miisa hatramin’ny 10 000 no andrasana amin’ity hetsika ity.

Ho an’ny fampandrosoana

Efa ny taona 1989 no nanomboka ity hetsika ity ry zareo avy ao Melaky ao izay hiarahana amin’ireo Ministera maromaro. Raha tsiahivina, hatramin’izay dia lehibe ny tanjona dia ny fampivoarana ny Faritra Melaky. Raha ny fanazavana hatrany moa dia azo lazaina ho toerana lavitra andriana ity faritra ity taloha ka mba hahafahana manandratra izany sy mampahafantatra ny faritra no anton’ny hetsika. Tsy mionona fotsiny amin’izany tanjona izany izy ireo amin’izao fotoana izao. Fotoana iray lehibe hahafahana mampiroborobo ny fampandrosoana maharitra, eo ihany koa ny fanomezan-danja ny harena ara-olona ary ny fampidirana ny fahaiza mitantanana mahomby ho an’ny rehetra. Manana fahafahana ara-ekonomika lehibe ihany koa izy ireo raha ny fanazavana ka anisan’ny tanjona ny hampivoatra izany. Manankarena izy ireo amin’ny tontolon’ny fambolena, fiompiana sy ny jono, ny ala sy ny tontolo iainana ary ireo orinasa afaka mamorona asa isan-karazany. Ireo rehetra ireo no homena sehatra mandritra ity Jeux du Melaky ity.

Lire la suite

Articles Similaires