• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Fanondranana : Tafiakatra 4 400 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara tamin’ity taom-piotazana 2023-2024 ity.

21/08/2024 10:28 © Moov

Nahomby ny fanondranana lavanila tamin’ity taom-piotazana ity. Tafiakatra hatramin’ny 4 400 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara tao anatin’izay 2023-2024 izay. Io no vokatra tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny lavanila malagasy, raha ny tatitry ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra.

Miverina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena

Miverina maka toerana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny lavanila avy eto Madagasikara raha io tatitra io no jerena. Nahatratra 4 400 taonina ny vokatra lavanila naondrantsika nankany ivelany tamin’ity taona ity raha 2360 taonina izany tamin’ny taom-piotazana 2021-2022. Izany hoe azo lazaina ho nisy fiakarany maherin’ny 100% io fanondranana io tamin’ity taona ity. Nahitana fihatsarany rahateo na ny kalitao niaraka tamin’izany habetsany izany. Porofon’ny fahombiazan’ny paik’ady hanarenana ny seha-pihariana lavanila izany na teo aza ny savorovoro sy ny fampidirana resaka politika tamin’ny raharahan-davanila, hoy hatrany ny Ministera. Raha tsiahivina dia ny Minisitra ny Varotra, Edgard Razafindravahy sy ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) mihitsy no nandresy lahatra ny mpandraharaha. Azo lazaina ho nahomby izany fandresen-dahatra izany ny amin’ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny fiarovana sy fanatsarana ny lazan’ny lavanila malagasy.

Efatra amby zato miliara ariary

Etsy ankilan’izany rehetra izany dia tafiakatra 104 miliara Ariary koa ny vola voaangona ao amin’ny kitapom-bolan’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) ho entina hanatsarana ny seha-pihariana lavanila sy ny vokatra lavanila malagasy. Raha tsiahivina dia 4 dolara isa-kilao amin’ny lavanila aondrana no alaina hamatsiana ny tetik’asam-panavaozana ny seha-pihariana lavanila. Ahafahana manatanteraka vina ho fiarovana ny tantsaha mpamokatra, hanatsarana ny kalitaon’ny lavanila sy hametrahana laboratoara manara-penitra hitiliana ny kalitaon’ny lavanila ho alefa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy asa hafa ihany koa io vola voavory io. Modelin’ny fiaraha-miasa ahitam-bokatsoa eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina izany. Nanamarika ny avy ao amin’ny Ministera fa nandray anjara amin-kitsim-po tamin’ny fanatevenana ny kitapom-bolan’ny CNV ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ireo.

Lire la suite

Articles Similaires