• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Fifidianana Ben’ny tanàna : Hatonta any Afrika Atsimo ny bileta tokana

21/08/2024 09:16 © Moov

Taorian’ny fanadihadiana izay natao dia ny trano printy any Afrika Atsimo no nahafeno ny fepetra amin’ny fe-potoana izay napetraky ny Vaomieram-pirenena mahaleo-tena mikarakara ny fifidianana (CENI). Ankoatra ny bileta tokana dia any an-toerana ihany koa no hanontana ireo antontan-taratsy saropady (imprimé sensible).

Roa amby roapolo miliara ariary

Efa mandeha tsara amin’izao fotoana izao ny fanomanana rehetra momba ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsain’ny tanàna. Amin’izao ihany koa dia mbola vola manokana avy amin’ny fitondram-panjakana ihany aloha no entina hanomanana io fifidianana io. « Mitentina 22 miliara ariary io vola ampiasaina amin’ny fifidianana io. Heverina ho ampy io lelavola io mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana sy izay filàna rehetra. Tsy manakana ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra izay vonona hanampy sy hanohana anefa izany », hoy ny mpampakatenin’ny CENI, Soava Andriamarotafika. Raha ny fanazavana hatrany dia efa nanomboka nampiasaina io vola io. Ao anatin’izany ny fifidianana kojakoja isan-karazany sy ny fampiofanana ireo mpiandraikitra ny OVEC na ny rafitra mpandray sy mpanamarina ny antontan-taratasin’ireo mpilatsaka ho fidiana.

Efa miofana ny OVEC

Notontosaina ny alatsinainy 19 aogositra 2024 teo ny fampiofanana manontolo ireo mpikambana amin'ny OVEC manerana an'i madagasikara, tamin'ny alalan'ny fiofanana ampitain-davitra. Saika efa manana traikefa amin'ny fandraisana antotan-taratasy filatsahan-kofidiana avokoa izy ireo amin'ny maha fifidianana fahatelo efa nokirakiraina izao fifidianana ho avy izao. Notsindriana kosa anefa tamin'ny votoatin'ny fiofanana ny mampiavaka ity fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina ity. Tao anatin’izany ny momba ny hoe fifidianana lisitra no hatao eo ihany koa ny fomba hikajiana ny toerana azon'ny lisitra iray ao amin'ny Filankevitra kaominaly sy monisipaly ary ny tsy maintsy ananan'ny kandida rehetra solontena nomem-pahefana na "mandataire". Ao anatin’izany OVEC izany dia tsy maintsy ahitana ny ratsa-mangaikan’ny distrika (commission électorale du district), ny avy ao amin’ny fitsarana, tompon’andraikim-panjakana avy ao amin’ny fandraharahana ny hetra. Ireo rehetra ireo no ho afaka hanamarina farany ny taratasy rehetra. Tsara ny mampatsiahy fa hanomboka ny 5 septambra hatramin’ny 19 septambra izao ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida hilatsaka ho fidiana.

Lire la suite

Articles Similaires