• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanondranana an-tsokosoko : Sokatra miisa 208 indray no tratra teny Ivato

20/08/2024 19:04 © Moov.Mg

Nahatrarana sokatra saika haondrana an-tsokosoko indray teny akaikin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato sy tany Tsihombe. Nanamafy ny amin’ny tsy handeferana, manoloana ny tranga tahaka izao, ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD).

Misy vokany ny ezaka

Olona miisa 2, saika hanondrana an-tsokosoko sokatra miisa 208, no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana sy ireo « OPJ forestiers » miasa eny Ivato, tao ivelan'ny seranam-piaramanidina, androany talata 20 aogositra 2024. Tsy mbola fantatra hatreto ny firenena saika handefasana ireto biby arovana ireto, fa efa eo am-pela-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ary tena mbola ao anaty fanadihadiana tanteraka izy ireo, tamin’ny fotoana nanoratana. Omaly alatsinainy 19 aogositra 2024 ihany koa, dia sokake (Astrochelys Radiata) lehibe miisa 90, no saron’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny Kaominina Beloha, Distrikan’i Tsihombe. Ny fahasamborana misesisesy ireo mpanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena tao ho ao, dia « Tsy midika akory fa mitombo isa ny fanondranana an-tsokosoko », araka ny nambaran’ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina, fa kosa « Misy vokatra ny ezaka rehetra ataon’ny Fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny ministera miahy ny Zandarimariam-pirenena, ny ministeran’ny Foloalindrahy, ary ny Fitsarana ».

Hazo sarobidy any Tanzania

Tetsy an-daniny, nanamafy ny fahatafaverenan’ireo sokatra naondrana an-tsokosoko tany Kaomoro ny minisitra, ary nanazava fa ny 232 no tafaverina, tami’ireo 400 tratra, ka ny 142 no mbola velona, tamin’ny fotoana nahatongavany teto Madagasikara. Ireo biby tratra tany Thaïlande moa dia mbola velona avokoa ny varika ary ny sokatra dia latsaky ny 10% tamin’izy ireo no maty, araka ny fanazavan’ny minisitra Fontaine Max Andonirina hatrany. Nanamafy ity farany fa mizotra tsara ny dingana famerenana ireo harem-pirenena malagasy ireo eto an-tanindrazana. Mizotra tahaka izany ihany koa ny dinika famerenana ireo hazo sarobiry « Bois de rose » sarona tany Tanzania, efa tamin’ny taona 2014. Araka ny nambaran’ny minisitry ny MEDD dia efa nisy ny fihaonana teo aminy sy ny minisitry ny tontolo iainana tanzanianina, ary eto Madagasikara ity farany, amin’izao fotoana izao. Efa eken’i Tanzania ny hampodiana ireo hazo ireo, araka ny fantatra, ka efa mamolavola ny fomba hamerenana azy ireo an-tanindrazana ny Fanjakana malagasy ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires