• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Universite D'Antananarivo
Image
Vaovao

Antananarivo : Heverina hivoaka ny faran’ny herinandro izao ny valim-panadinana bakalôrea

20/08/2024 15:29 © Moov

Vinavinaina hivoaka ny faran’ny herinandro izao, izany hoe zoma na sabotsy ny valim-panadinana bakalôrea 2024 ho an’ny faritanin’Antananarivo. Raha ny fanampim-baovao izay azo amin’izao fotoana izao dia efa mamaraparana avokoa ny tompon’andraikitra rehetra.

Heverina ho ny alakamisy izao kosa ny hanatanterahana ny famaritana ny naoty farany ambany hahafahan’ny mpiadina na ny « délibération ». Hivoaka ao anatin’ny 24 ora na 48 ora aorian’izay kosa ny lisitr’ireo afa-panadinana rehetra manerana ny faritanin’Antananarivo. Marihina moa fa niisa teo amin’ny dimy amby telopolo sy efa-jato sy valo alina (80 435) teo ireo mpiadina rehetra ho an’ity faritra ity. Ity farany izay nahitana mpiadina maro indrindra manerana tamin’ireo faritany miisa enina. Io rahateo no heverina ho antony mahatonga ny fahataran’ny fivoahan’ny valim-panadinana. Ankoatra izay dia andrasana ihany koa amin’izao ny fivoahan’ny avy ao amin’ny faritanin’ny Toamasina sy Toliara, eritreretina ho ny alakamisy izao izany.

Nidina ny taham-pahafahana

Nahitana fidinana ny taham-pahafahana bakalôrea tamin’ity taona ity ho an’ireo faritany telo izay efa namoaka izany. Raha tsiahivina dia 55% izany ho an’ny Fianarantsoa tamin’ity taona 2024 ity raha 57.89% kosa izany ny taona lasa teo. Toy izany ihany koa ny faritanin’Antsiranana izay nahatratra 66.32% tamin’ny taona 2023 raha 53.27% monja izany ho an’ny taona 2024. Etsy andaniny anefa dia nahitana fiakarany kely kosa ny ho an’ny faritanin’ny Mahajanga izay nahatratra 61.89% raha 56.96% izany ho an’ny taona 2023. Marihina kosa anefa fa nanazava ireo mpampianatra nandritra ny fotoam-pitsarana taratasim-panadinana fa niakatra ny lentan’ny fahaizan’ny mpianatra tamin’ity taona ity. Saika tsara ny ankamaroan’ny naotian’ireo izay afaka. Raha tsiahivina fotsiny izao dia nahazo « mention très bien » tamin’ny alalan’ny naoty 17.23/20 ny mpianatra nahazo naoty ambony indrindra ho Mahajanga. Sokajy D no nisy io tovovavy io. Andrasana fatratra araka izany ny fivoahan’ireo any amin’ny faritany telo ambiny. Efa tsindrindaona ireo mpiadina.

Lire la suite

Articles Similaires