• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Sehatry ny asa : Nofoanan’ny Filankevim-panjakana ny fisolontenan’ny sendika ho an’ny taona 2022-2024

20/08/2024 14:50 © Moov

Miato ny asan’ny solontenan’ny sendika ho an’ny taona 2022-2024 noho ny fanafonan’ny Filankevim-panjakana izany. Nivoaka ny 8 aogositra lasa teo io didy fampiatoana io. Araka izany dia miato ny asan’izy ireo eo anivon’ny filankevim-pitantanana isan’ambaratongany. Marihina fa sendika miisa efatra irery ihany no nahafeno izay fisoloantena izay tao anatin’ny 2 taona dia ny FISEMARE, FISEMA, SEKRIMA ary ny Randrana Sendikaly.

Olana ho an'ny mpiasa

Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny tontolon’ny asa ny fisian’ireto solontena ireto. Izy ireo no mitondra ny hevitry ny mpiasa ary ara-dalàna sy ara-drariny izany asan’izy ireo izany. Ny mpiasa rehetra rahateo dia manan-jo ny hanangana io sendika io ary ny solontenan’izy ireo no mitondra ny hetahetan’ireo mpiasa izay miisa fito eo ho eo. Noho ity fampiatoana ity anefa dia ho sahirana indray ny mpiasa amin’ny fangatahana ny zony sy izay rehetra tiany takiana. « Voa mafy ny mpiasa na dia tsy olana avy aminay Sendika aza io olana io. Raha tsiahivina manko dia ny 18 marsa 2024 vao namoaka ny didim-panjakana ny Ministera ka tara ny fandraisana andraikitra. Ny fe-potoam-piasana anefa mifarana amin’ny faran’ity taona ity ka izay indrindra no antony nandraisan’ny Filankevim-panjakana io hevitra io », hoy i Barson Rakotomanga, mpandrindra ny Randrana Sendikaly. Tokony hojerena akaiky araka izany ny vahaolana manoloana izany olana izany.

Hitohy ny fitakiana

Nanamafy ireto avy ao amin’ny Randrana Sendikaly ireto fa hanohy ny fitakiana hatrany izy ireo na dia nampiatoana aza io rafitra iray lehibe io. Araka izany, ny 7 septambra ho avy izao, maminavina ny hanatanteraka fihaonambe sy fivoriana lehibe ho an’ny mpiasa rehetra ity Sendika ity. Anisan’ny horesahina ao anatin’izany ny fahatapahan-jiro sy rano, fahasimban’ny lalana, fandriam-pahalemana, fisotroan-dronono, fanajana ny lalàna ary indrindra indrindra ny zon’ny mpiasa. « Voa mafy ny mpiasa saingy tsy hijanona amin’izao fa hiezaka hiady ho an’ny tombontson’ny rehetra hatrany », hoy hatrany ity mpandrindra ny Randrana Sendikaly ity.

Lire la suite

Articles Similaires