• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Isalo, lalam-pirenena faha-4… : Manjaka indray ny doro tanety

20/08/2024 06:43 © Moov.Mg

Efa miditra sahady ao anatin’ny vanim-potoanan’ny afo isika izao. Ahitana tranga nisesisesy tao ho ao, ny any amin'ny manodidina ny valan-javaboaharin’Isalo. Rehefa mandeha amin’iny lalam-pirenena faha-4 mihazo an’i Mahajanga iny ihany koa, dia tany amin’ny hekitara maro no kilan’ny afo.

Tsy mety fongana

Ny trangana afo farany tany Isalo, kaominina Ranohira, Faritra Ihorombe, dia izay niseho tamin'ny andron’ny alahady 18 aogositra 2024 teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 30mn hariva. Velaran-tany mirefy 4ha no may, nandritra izany, izay notsipihin’ny Madagascar National Park fa tsy nahakasika ny faritra arovana akory, fa tany lava volo (savane) sy vato no nandalovan’ny afo. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina, tamin’io andron’ny alahady io ihany, no voafehy ny afo. Mbola ao anatin'ny fikarohana ny tompon'antoka tamin’ity doro tanety ity ny tomponandraikitra any an-toerana ankehitriny, satria na tsy nahakasika ny faritra arovana aza ny afo, dia sokajiana ho heloka bevava foana ny fandoroana toy izao. Amin’iny lalam-pirena faha-4 iny, manodidina an’i Manerinerina, dia velaran-tany midadasika no nianjadan’ny doro tanety, ka zary miloko mainty hatramin’ny tendrombohitra. Efa ela no nalaza ratsy tamin’ny doro tanety ny any amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny, saingy tsy mety fongana izany hatramin’izao.

Fandikan-dalàna

Maro ihany ireo efa tratra tamin’ny fanaovana ity doro tanety ity ary efa nahazo ny sazy sahaza azy, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mbola misy foana koa anefa ireo mahasahy mandika lalàna, eo anatrehan’izany. Raha ny momba ilay trangana afo tao Isalo, tamin’ny 3 aogositra lasa teo izao, dia olona miisa 2 ahiana ho tompon’antoka no efa nosamborina ary natolotra ny fampanoavana. Fanaovana saribao tsy nahazoana alalana, fandrehetana afo tsy voafehy ary fidirana an-tsokosoko ao anaty faritra arovana, no vesatra iampangana ireo olona roa ireo. Mbola tsy fantatra kosa ny anton’ity trangana afo vao niseho tany Isalo tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ity, satria mbola ao anaty fanadihadiana tanteraka ireo tomponandraikitra. Raha tsiahivina dia voararan'ny lalàna ny fandoroana tanety ary mahavoasazy higadra hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina.

Lire la suite

Articles Similaires