• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Uma
Image
Vaovao

Valim-panadinana bakalôrea Mahajanga : Maherin’ny 61% ny taham-pahafahana

20/08/2024 06:38 © Moov.Mg

Efa nivaly omaly ny fanadinam-panjakana bakalôrea ho an’ny faritanin’i Mahajanga, taorian’i Fianarantsoa sy Antsiranana.

Raha mitaha amin’ireo Faritany namoaka valim-panadinana voalohany, dia azo lazaina ho tsara ny valim-panadinana bakalôrea ho an’ny faritanin’i Mahajanga. Araka ny antontan’isa avy amin’ny loharanom-baovao eo anivon’ny oniversiten’i Mahajanga mantsy, dia nahatratra 61,89% izany taham-pahafahana izany, raha toa ka 55% ho an’i Fianarantsoa ary 53% ho an’Antsiranana.
Tahaka izao ny valim-panadinana teo amin’ny fampianarana ankapobeny, araka io loharanom-baovao io hatrany :
• A1 58,55%
• A2 : 56,43%
• C : 69,05%
• D : 81,79%
• L : 62,39%
• S : 47,69%
• OSE : 79,42%
Mpianatra avy any Bealanana, sokajy D, no nahazo ny "moyenne" ambony indrindra : 17,23/20. Tovovavy zanaky ny Faritra Sofia io tsara naoty sady nahazo "mention très bien" io. Voalaza fa afa-panadinana avokoa ireo mpiadina mpianatry ny Sekoly Katolika Saint Gabriel.
Miandry voka-panadinana ny faritra hafa
Andrasana fatratra ny famoahana ny valim-panadinana bakalôrea any amin’ireo Faritany hafa mbola tsy namoaka izany. Amin’ny ankapobeny, arakaraky ny hamaroan’ireo mpianatra voasoratra anarana niatrika izany, no maha-ela kokoa ny fitsarana ny taratasim-panadinana sy ny fanaovana ny « délibération », ka mahataraiky, na mampivoaka mialoha ny valiny. Heverina fa amin’ny faran’ity herinandro ity no ho fantatra avokoa ny valin’ny bakalôrea amin’ny Faritany rehetra. Tsiahivina fa tamin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity dia niisa 218.359 ireo mpianatra nisoratra anarana hiatrika izany fanadinam-panjakana izany. Raha tsy misy ny fiovana, amin'ny alakamisy na zoma ho avy izao no hanatanterahana ny "délibération", eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Amin'ny faran'ity herinandro ity izany no andrasana ny valim-panadinana.
Raha hijery ny "resultat", azo atao ny mijery peta-drindrina eny amin'ireo foibem-panadinana, mitsidika ny tranokalan'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena na mandefa somaiso amin'ny 601.

Lire la suite

Articles Similaires