• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Tarika Feo Kanto : Hisantatra ny fiverenany an-tsehatra eny Ampasanimalo

16/08/2024 11:17 © Moov.Mg

Manome fotoana ny rehetra eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ny tarika Feo Kanto, androany hariva, manomboka amin’ny 8 ora alina. Fotoana iray hahitana indray ireo « Zaza Kanto », izay efa nihanitombo taona, ity hetsika androany alina ity.

Niainga teny an-dalam-be

Maro ireo nametra-panontaniana hoe : mba nankaiza ny tarika « Zaza Kanto » no toa tsy re loatra intsony ? Efa nihalehibe anefa ry Jimmy, Rija, Rivo,Thierry, Haitra, Nja¬to, Tojo sy Tahiry ankehitriny. Efa tsy zaza intsony, ka niova nanaraka izany koa ny anaran’ny tarika, ary lasa « Feo Kanto » izany. Tany amin’ny taona 2019 no tena nahafantaran'ny maro azy ireo, raha tsiahivina, tamin’ny alalan’ilay hira mitondra ny lohateny hoe : " Tsy mahalala menatra io". Mpihira teny an-dalambe no niantombohan’izy ireo, saingy niroso tsikelikely tamin’ny sehatry ny matianina ary efa nanatanteraka fampisehoana ivelan’i Madagasikara. Na ny Filoham-pirenena aza dia babo tamin’izy ireo, ka nitondra ny « Zaza Kanto » niaraka taminy, nanotrona ny ekipam-pirenena Barea tany Ejipta, izay niatrika ny ampahavalon-dalan’ny CAN tany an-toerana, tamin’izany fotoana izany.

Hanatanteraka seho maro

Mitohy hatrany ny lalan’ny « Zaza Kanto », lasa « Feo Kanto », ka ny Talenta production sy Rajery no miahy azy ireo ankehitriny. Hanatanteraka seho maro izy ireo manomboka eto, araka ny fandaharam-potoanany, fa santatra ihany ity hotanterahina androany hariva ity, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Araka ny fantatra dia ho isan’ireo mpanakanto handray anjara amin’ny Angaredona Mozika Festival andiany faha-18 ihany koa ny Feo Kanto, izay i Rajery no tompon-kevitr’ity hetsika ara-kolontsaina ity, raha tsiahivina. Fa ho an’ny androany hariva aloha dia hanomboka amin’ny 8 ora alina ny fotoana miaraka amin’ny Feo kanto ary malalaka tanteraka ny fidirana.

Lire la suite

Articles Similaires