• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chorale Andriafo.Jpg
Image
Vaovao

Résultat Bac 2024 - 55,15% ny taham-pahafahana tao Fianarantsoa

16/08/2024 08:57 © Moov

Ny faritanin'i Fianarantsoa no namoaka ny "Résultat Bac" voalohany tamin'ity taom-pianarana 2023-2024 ity. 55,15% ny taham-pahafahana tamin'ity taona ity, raha 57,89% izany tamin'ny taon-dasa.

Tontosa ny alarobia 14 aogositra lasa teo ny "délibération"-n'ny fanadinam-panjakana Bakalorea tao Fianarantsoa. Ny alin'ny 15 aogositra no nivoaka ny voka-panadinana ofisialy. 55,15% ny taham-pahafahana, ka 54,99% ny an'ny fampianarana ankapobeny, ary 59,65% ny an'ny fampianarana teknika. Ny "série C" no nahitana taham-pahafahana tsara indrindra, izay nahatratra 75,51%. Manaraka izany ny sokajy "Technologique", amin'ny taham-pahafahana 66,67%.
Mivoaka miandalana ny valim-panadinana manerana ny Nosy, ka isaky ny renivohi-paritany izany.Ho an'i Mahajanga, amin'ny alatsinainy 19 aogositra ho avy izao no hanatanterahana ny "Délibération".

Mihena ny isan'ireo mpiadina sokajy siantifika

Raha ny fampianarana ankapobeny no resahina, vitsy sisa no misafidy ny sokajy siantifika. Tao Fianarantsoa hatrany, 294 tamin'ny mpiadina 34 631 no "série C". Niisa 8 be izao nefa ireo nahazo ny "Mention Très Bien", sady tsy adino ny vokatra izay tena tsara tokoa, mihoatra ny 75%. Noho ny fahasahiranana ara-tsosialy dia toa tsy mazoto hikaroka firy intsony ny tanora fa mionona amin'izay lalam-piofanana mora hahitana asa fotsiny. Nampaneno lakolosy fanairana mikasika io fidinan'ny isan'ny mpiadina sokajy siantifika io ny Solombavambahoaka Velomihoatra Painchard.

Lire la suite

Articles Similaires