• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Fiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro : Notombanana ireo loza manambana an'i Toamasina

16/08/2024 07:57 © Moov.Mg

Mila arovana amin’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro i Toamasina, Faritra Atsinanana, amin’ny maha-havokavok’i Madagasikara azy, eo amin’ny lafiny toekarena. Araka izany, nanatanterahana tombana, momba ireo ambana mifandraika amin’ny fiovan'ny toetry ny andro, ny tao an-drenivohitra Betsimisaraka.

Fitaovana famakafakana

Mpisehatra manodidina ny 50 isa, nahitana ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa tanana, ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena, ireo mpandraharaha sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina isan-karazany, no niara-nidinika ny amin’ny fomba hahafahan’i Toamasina miatrika ny fiovan’ny toetry ny andro amin’ny ho avy. Niainga tamin’ny angon-kevitra azo avy amin’ny CORVI (Climate and Ocean Risk Vulnerability Index) ny dinika. Izy io moa dia fitaovana famakafakana natao hanampiana ny governemanta, ny orinasa ary ny andrim-panjakana ara-bola, amin'ny fandinihana ny loza mety hitranga noho ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny tanàna amorontsiraka. Mikendry ihany koa izy io ny hamantarana ireo tokony hatao, mba hahafahana miatrika ny loza ankehitriny sy ho avy. Ny Stimson Center and Western Indian Ocean Marine Science Association (WIOMSA) no tomponandraikitra voalohany amin’ny tetikasa CORVI ary manohana azy ara-bola ny Ocean Risk and Resilience Action Alliance (ORRAA).

Fanohanana amerikanina

Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ireo manam-pahaizana Amerikanina sy Malagasy, tao anatin’ny CORVI, ka nahafahana nanatanteraka ny tombana ireo ambana mifandraika amin’ny fiovan'ny toetry ny andro ary nandrafitra tari-dalana ho an’ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny toetry ny andro. Voaresaka tao anatin’ny dinika nifanaovana, niainga tamin’ireo angon-kevitra, ny momba ny fiatrehana ny tondra-drano sy ny paikady mifandraika amin’izany ; ny fahasalaman’ny voahary sy ny loharanon-karena amoron-tsiraka sy an-dranomasina ary ny fananganana fotodrafitrasa mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro sy ny firoborobon’ny fihariana. Manohana ny CORVI ihany koa ny Masoivohon’i Etazonia eto amintsika, satria tafiditra ao anatin’ny President's Emergency Plan for Adaptation and Resilience (PREPARE) ity tetikasa ity. Ny PREPARE, izay fandaharanasa entin’ny governemanta amerikanina manampy ireo firenena an-dalam-pandrosoana hiatrika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro, hatramin’ny taona 2030.

Lire la suite

Articles Similaires