• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

RN2 : Miverina amin'ny laoniny ny fifamoivozana eo Maromizaha

15/08/2024 17:46 © Moov

Tsy vitsy ireo mpampiasa lalana nitaraina tamin'ny tambazotran-tserasera mikasika ny fitohanana lavareny teny amin'ny RN2.

Ny alin'ny 14 hifoha ny 15 aogositra no nanomboka ny fitohanana lavareny teny amin'ny RN2. Ny atoandron'ny 15 aogositra vao nisosa indray ny fifamoivozana. Teo amin'ny 10 ora teo izany no very ho an'ireo mpampiasa lalana. Teo amin’ny teboka halavirandalana PK 139+400 Maromizaha, alohan’ny hiditra an’Andasibe, no nisy fiarabe nihitsoka, noho ny lalana malama.
Ny marainan'ny 15 aogositra no teknisianin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, nanatanteraka ireo asa vonjimaika namerenana ny fifamoivoizana. Nisy ny fisintonana ilay fiarabe simba sy ny fandaminana ny fifamoivoizana teny an-toerana, niarahana tamin’ny Zandary. Teo ihany koa fanalana fotaka sy fipasohana ny ampahan-dalana eo Maromizaha.

Mitohy ny fanamboaran-dalana

Anisan’ireo ampahan-dalana manahirana eny amin’ny RN2 ny eo Maromizaha, sy ny eo anelanelan’i Moramanga sy Antsampanana. Manampy trotraka ny fahasimbana ny fanotofan’ny ankizy sy ny olona manodidina tany ny arabe, izay lasa fotaka rehefa latsaka ny orana ka mampalama ny lalana ary mampihitsoka ny fiarabe. Hiaraha-mahalala ihany koa fa anisan'ny olana ny vesatra be loatra hoentin’ny fiara vaventy na “surcharge”.
Voakasika amin’ny asa fikitihana ireo teboka manahirana, vatsian’ny Fitondram-panjakana vola, ity ampahan-dalana ity. Efa nanomboka ny herinandro lasa teo ny asa, tanterahana mandra-pahatongan’ny asa fandrakofana tara ny lalana, hialovan’ireo pitsopitsony ara-teknika, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana tsy maintsy arahana. Efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny intsony koa io lalana io, izay efa aman-taonany maro. Ampahatsiahivina ao anatin’ny main-tany toy izao no hanatanterahana ny asa goavana ho an’ny Asa Vaventy, raha asa maika na « travaux d’urgence » no tanterahana mandritra ny fotoam-pahavaratra.

Lire la suite

Articles Similaires