• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Fifidianana ny filohan'ny BAD : Tafiditra anatin'ny Komity Mpitsara i Madagasikara

15/08/2024 17:20 © Moov

Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, no Komity Mpitsara misolotena an'i Madagasikara amin'ny fifidianana ny filohan'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana (BAD).

Handray anjara mavitrika amin'ny fanomanana ny fifidianana ny filohan'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana (BAD) i Madagasikara. Nametraka paikady hanamafisana ny fifantenana hentitra sy mangarahara, hamantarana ny kandidà atolotra ho Filohan'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana mantsy ireo Minisitra misahana ny Fitantanam-bola eo anivon'ny Communauté de développement d'Afrique australe (SADC). Maro ny fepetra takiana amin'izany paikady izany, ary entina indrindra hitarihana ireo firenena mpikambana, amin'ny famantarana ny kandidà izay hotendrena. Hanampy ny komity ara-teknika ho fanombanana sy ho fampandrosoana ny fanendrena ireo kandidà, izay ataon'ny mpikambana ao amin'ny Sekretarian'ny SADC.

Fitantanana ny BAD

Tsara ny mampahatsiahy fa i Akinwumi A. Adesina, teratany nizeriana, no mitantana ny BAD. Lany filoha ny tenany tamin'ny 28 may 2015, ary mbola lany fanindroany indray tamin'ny 27 aogositra 2020. Amin'ny 29 may 2025 izany ny fifidianana manaraka, mandritra ny "Assemblée annuelle du Conseil des gouverneurs de la Banque", any Abidjan, Côte d'Ivoire. Hatramin'ny 31 janoary 2025 moa ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo te hilatsaka ho fidiana. Ny 21 febroary no hivoaka ny lisitra ofisialy mirakitra ireo mpifaninana handray anjara amin'ny fifidianana. Anisan'ny tombony lehibe ho an'i Madagasikara ny fandraisana anjara amina raharaha lehibe any ivelany toy izany.

Lire la suite

Articles Similaires