• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Iavoloha : Niatrika "évaluation" ireo Minisitra teo aloha

15/08/2024 16:41 © Moov

Tontosa omaly 14 aogositra teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny "évaluation" ho an'ireo Minisitra mpikambana tao amin'ny Governemanta teo aloha.

Rehefa avy niatrika ny lanonam-pianianan'ny talen'ny BIANCO vaovao teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny filohan'ny Repoblika dia nanatanteraka ny "évaluation" tamin'ireo Minisitra teo aloha. Fito volana moa izay no nanendrena azy ireo ka ny asa vita rehetra tao anatin'izay fotoana izay no nandraisana sy nihainoana ny tomban'ezaky ny tsirairay. Tamin'ny fotoana nanendrena ny Praiminisitra dia efa nambaran'ny filohampirenena fa dingana tsy maintsy atao mialoha ny handrafetana ny Governemanta vaovao ity "évaluation" ity. Nanao fianianana mantsy ny Minisitra tsirairay fa ny asa rehetra natao dia hipaka amin'ny fiainana davan'andron'ny mponina. Azo heverina izany fa misy ireo ho voatazona amin'ny toerany, raha nahitana asa mivaingana sady tokony mbola hanohy tetikasa mifantoka amin'ny fampandrosoana ny firenena. Misy kosa ireo mety hiova Ministera. Tsy maintsy hisy kosa ireo handao ny Governemanta.

Governemanta vaovao

Efa andrasana fatratra ny fanendrena ireo Minisitra vaovao. Maro no efa nanantena ny hijoroan'ny Governemanta feno nialoha ny nanolorana ny politika ankapoben'ny Fanjakana (PGE) teny amin'ny lapan'ny Antenimierandoholona Tsimbazaza. Araka ny nambaran'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, amin'ny herinandro ho avy iny no hanendrena ireo Minisitra rehetra hiara-hiasa amin'ny Praiminisitra Christian Ntsay. Tsy mbola nisy aloha hatreto ny fiantsoana fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo te hiditra ho mpikambana ao amin'ny Governemanta.
Ampahatsiahivina fa nisy Minisitra miisa 7 no nirotsaka tamin'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ka ny iray ihany no tsy lany tamin'izy ireo. Ny fitantanana ny eo anivon'ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo no anisan'ny tena mahaliana ny maro, noho ny olan'ny Jirama izay mitombo andro aman'alina.

Lire la suite

Articles Similaires