• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Rim Ka, Mirasoa, Dadi Love, Basta Lion… Hanafana ny Festival Sôrogno any Ambanja

14/08/2024 16:47 © Moov.Mg

Fararanon-danonana indray ao Ambanja, renivohitr’i Sambirano, any amin’ny Faritra DIANA, ny 22 ka hatramin'ny 25 aogositra izao. Hotanterahina amin’io fotoana io mantsy ny Festival Sôrogno, izay mampalaza ity Distrika ity.

Fanoitra ho an’ny fampandrosoana

25 taona tokoa izay no nisian’izany Festival Sôrogno izany, izay ny distrikan’Ambanja no mampiantrano azy. Fanafohezan-teny ny SOROGNO, izay midika hoe : « Sambirano Organisation pour le Développement Opérationnel et Garanti du Nord ». Araka izany, ny tanjona lehibe indrindra ho an’ny mpikarakara ity hetsika ity, dia ny fampandrosoana ny faritra Sambirano. Hasongadina, mandritra ity hetsika ity, ny kolontsaina, ny toe-karena, ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Vina lehibe ny hahatonga ny Festival Sôrogno ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny distrikan’Ambanja. Mandritra ireo 4 andro ireo, noho izany, dia hisy ireo trano heva hampisehoana ireo vokatra mampalaza an’i Sambirano, toy ny kakaô, ny kafe sy ny lavanila. Samy haneho izay mampiavaka azy avokoa ireo fokontany sy kaominina mandrafitra ny Distrika.

Kolontsaina sy fanatanjahantena

Fa hanana ny toerany lehibe ihany koa ny kolontsaina, indrindra amin’ireo fampisehoana marobe handravaka ny hetsika, mandritra ny 4 andro. Nanasana mpanakanto maro avy ao an-toerana sy avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara izany, raha tsy hitanisa afa-tsy i Din Rotsaka, Rim Ka, Mirasoa, Dadi Love, Basta Lion… Hisy ihany koa ny fifidianana ireo tovolahy sy tovovavy manana ny maha-izy azy, amin’ny alalan’ny fifaninanana Miss et Mister, izay hampisongadinana ny hatsaran-tarehy mampiavakaa ny faritra Sambirano. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra sy ny morengy. Manohana izao hetsika izao ny orinasa Telma Madagascar sy ny Star. Olona manodidina ny 10.000 isan’andro kosa no andrasana handray anjara amin’ireo hetsika isan-karazany ireo.

Lire la suite

Articles Similaires