• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Minisitra handrafitra ny governemanta vaovao : Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ambony

14/08/2024 15:18 © Moov.Mg

Iray volana lasa izay no nanendrena indray an’i Ntsay Christian ho Praiminisitra, taorian’ny fifidianana Solombavambahoaka notanterahina teto Madagasikara tamin’ny volana mey. Hatreto, mbola eo am-piandrasana ireo Minisitra handrafitra izany governemanta izany ny rehetra.

Tsy hisy filàn-kevitry ny minisitra

Ho fantatra amin'ny faran'ny herinandro ho avy io ireo mpikambana handrafitra ny governementa vaovao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tao anatin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety androany, taorian’ny nanatrehany ny lanonana fianianan’ny Tale Jeneralin’ny Bianco vaovao. Nohazavainy tamin’izany fa mbola ao anatin’ny fanaovana tombana ireo Minisitra, izay notendrena tamin’ny volana janoary ny tenany, miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. 7 volana teo ho eo no nandraisan’izy ireo ny asany, hoy ny Filoha. Nisy ny fanamby napetraka, ka anaovana jery todika ny zava-bitan’izy ireo sy ireo izay tsy tanteraka. Araka izany, tsy hisy ihany koa ny filàn-kevitry ny minisitra fanao isan-kerinandro, ami’ity andron’ny alarobia 14 aogositra ity, fa hifantoka tanteraka amin’izay tomban’ireo Minisitra teo aloha izay ireo mpitantana ny fahefana mpanatanteraka.

Nametra-pialana

Raha tsiahivina dia manatanteraka ny fampandehanan-draharaha ireo minisitra teo aloha, mandrapanendrena ireo izay handrafitra ny governemanta vaovao. Nisy tamin’izy ireo ihany koa anefa no efa nametra-pialana, rehefa nirotsaka hofidiana ho Solombavambahoaka. Isan’ireo heverina fa tsy ho tafaverina ho minisitra intsony, i Tokely Justin, minisitry ny Atitany teo aloha, izay voafidy ho filohan’ny Antenimierampirenena ankehitriny. Minisitra teo aloha, nahazo andraikitra eo anivon’ny Antenimierampirenena ihany koa, i Andriamananoro Augustin, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, fa voafidy ho filoha lefitry ny Faritanin'Antananarivo ankehitriny ; ary i Fomendraza Haingo Elisette, minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina teo aloha, izay voafidy ho filoha lefitry ny Faritanin'i Fianarantsoa.

Lire la suite

Articles Similaires