• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fiarovana ny ala : Hiara-hiasa ny BNGRC sy ny MEDD amin’ny ady amin’ny doro tanety

13/08/2024 16:35 © Moov

Efa miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoan’ny doro tanety na ny doro ala ny eto Madagasikara amin’izao. Raha tsiahivina, ratsy hatrany ny vokatry ny fahasimbana izay misy isan-taona. Izany indrindra no nivorian’ny BNGRC miaraka amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana androany. Tanjona amin’izany ny hiomanana sahady amin’ny doro tanety sy hikaroham-bahaolana mialoha amin’izany.

Volana septambra

Ny volana septambra no tena mahasimba ny ala eto Madagasikara noho ny doro tanety sy ny doro ala. Tokony dieny izao araka izany no hametrahana ny paikady hahafahana miaro izany mba tsy hihoatra lavitra ny efa niseho teo aloha. Fanamafisana izay ady atrehina izay no antom-pisian'ity fivoriana manokana teo amin'ny ekipan'ny Minisiteran' ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy notarihin’Andriamatoa Minisitra Andoniaina Max Fontaine sy ny ekipan'ny BNGRC notarihin'ny tale jeneraly ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja ity. Fihaonana notanterahina teo amin'ny Biraon'ny BNGRC avaratr'Antanimora. Efa misy rahateo ny drafitra entina miatrika izany dia ilay atao hoe « plan de contingence feux de forêts et feux de brousse » efa voavolavola ka ahafahana miatrika miaraka io olana goavana io. Io indrindra ihany koa no nivoriana mba handraisana ny fepetra rehetra amin’io ady amin’ny doro tanety sy doro ala io.

Manodidina ny 450 tapitrisa dolara

Raha tsiahivina ny antontan’isa dia manodidina ny 450 tapitrisa dolara isan-taona ny tomban'ny fahasimbana noho ny fahaverezana harena maro ao anatin'ny ala. Raha tsy hitanisa afa-tsy ny fahasimban'ny haivoahary(écosystème) sy ny fahasimban'ny nofon-tany, ary ny fiovan'ny tontolo iainana ho tany efitra (désertification) fotsiny ao anatin’izany rehetra izany. Izany no manamafy fa tokony raisina ho zava-dehibe ity asa fiarovana mialoha ny ala ity. Tato ho ato izay dia efa maromaro ireo afo nirehitra tamin’ireo tanety sy ala maro manerana ny Nosy. Nisongadina tamin’izany ny tao amin’ny Valan-javaboaharin’Isalo. Raha tsy raisina dieny izao araka izany ny fepetra dia hatahorana ny hiverenana amin’ny doro tanety niseho tamin’ny taona 2018 sy 2020. Raha tsiahivina dia nahatratra 107 000 hektara ny fahamaizana ala tamin’ireo taona ireo. Voasokajy ho lehibe indrindra izany. Vinavinaina tsy ho lavitra io tarehimarika io ny mety ho fahamaizana ala hisy eto amintsika amin'ity taona 2024 ity raha tsy misy ny fitandremana sy ny fepetra mialoha mifanaraka amin'izay.

Lire la suite

Articles Similaires