• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Un Madagascar
Image
Vaovao

Tohana ara-bola avy amin’ny Firenena Mikambana : Nitombo hatrany, tao anatin’ny 4 taona

13/08/2024 16:05 © Moov.Mg

Nanao tombana ny fotoam-piasany teto amintsika Atoa Issa Sanogo, izay nitazona ny andraikitry ny Mpandrindra maharitra ny ratsamangaikan'ny Firenena Mikambana teto Madagasikara, eo am-pamaranana ny fotoam-piasany, izay naharitra 4 taona.

Fanampiana ny marefo

Notsiahiviny, tao anatin’ny raki-tsary navoakan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, fa tao anatin’ny vanim-potoana nampavaivay ny valan’aretina covid-19 no nanombohany ny asany teto amintsika, tamin’ny volana ôktôbra 2020. Nifanesisesy ihany koa ireo karazana krizy nateraky ny loza voajanahary, toy ny hain-tany sy ny rivo-doza, tao anatin’ny 4 taona naha-mpandrindra maharitry ny ratsamangaikan'ny Firenena Mikambana azy teto Madagasikara. Noho izany dia isan’ny niompanan’ny asa notanterahiny teto amintsika ny fanohanana ireo mponina marefo, asa izay niarahan’ny rafitry ny Firenena Mikambana nanatanteraka tamin’ireo fikambanana sy vondrona isan-karazany misehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona. Nisongadina, tao anatin’izany, ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, izay nitombo miandalana. Taorian’ny antso vonjy taitra natao ho fanohanana ireo Malagasy marefo mantsy, dia vola fanampiana 135 tapitrisa dôlara no voaray, tamin’ny taona 2021 ; tafakatra 186 tapitrisa dôlara izany tamin’ny taona 2022, ary nahatratra 193 tapitrisa dôlara, ho an’ny taona 2023-2024.

Tohana ho an’ny fampandrosoana

Amin’ny ankapobeny, niompana tamin’ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fampiroboroboana ny mahaolona, ny fanampiana teo amin’ny fitantanana maharitra ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny Fanjakana tsara tantana, ny praograman’asa nifanekan’i Madagasikara sy ny rafitry ny Firenena Mikambana eto amintsika, nandritra ny vanim-potoana 2021-2023, araka ny fanazavan’Atoa Issa Sanogo. Nitombo tsikelikely ihany koa ny vola fanampiana nentina nanohanana ireo sehatra ireo, satria tamin’ny taona 2021 dia 106 tapitrisa ny tohana ara-bola navoakan’ny rafitry ny Firenena Mikambana sy ireo mpiara-miombon’antoka, 140 tapitrisa dôlara ho an’ny taona 2022 ary 160 tapitrisa dôlara ho an’ny taona 2023. Mbola mitohy io fanohanana ny lafiny fampandrosoana io, ka ho an’ny 5 taona manaraka indray dia hiompana amin’ny Fanjakana tsara tantana, ny fandriampahalemana ary ny tany tan-dalàna izany, fa ihany koa amin’ny fampiroboroboana ny maha-olona, ny fitantanana maharitra ny tontolo iainana ary ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena. Ireo rehetra ireo dia mifandraika tanteraka amin’ny pôlitika ankapoben’ny Fanjakana Malagasy, izay hotanterahina ao anatin’ny 5 taona ihany koa, araka ny fanamarihan’Atoa Issa Sanogo.

Lire la suite

Articles Similaires